Edito

Mora mionona


  • Talata 06 Novambra 2012

Menomenona sy fahasosorana no re etsy sy eroa manoloana ny fahasahiranana misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana.

 Rehefa nodinihana anefa dia toa zakan-dRamalagasy ihany ilay izy fa mba fomba mahazatra fotsiny angamba ilay miteny. Raha ny eto Antananarivo aloha dia vitsy ireo olona mbola mino sy matoky fa hahavita hanarina ity firenena ity i Andry Rajoelina sy ny ekipany. Araky ny olona tsara ireo fitapitaka natao teto, ny fampanantenana hampidina ny vidin’ny menaka sy ny siramamy ary ny vary, ny hampihenana hatramin’ny 40% ny vidin-tsolika. Koa tsy ny mifanohitra amin’izany ve no zava-misy eto izao ? Fa mbola miharitra ihany Ramalagasy e ! Isika moa dia malaza mahatanty fery izay ihany, ka mety efa fantatry ny mpanao politika tsara angamba io toetra io dia nohararaotiny araka izay nitiavany azy.

Mibaribary fa efa tsy mahavita azy intsony ilay fitondrana tetezamita. Etsy ankilan’izay anefa dia tsy mahavita manao hetsika tena goavana mampatahotra ireo mpitondra tetezamita ireo milaza azy fa mpanohitra sy fatra-panakiana an’i Andry Rajoelina satria tsy tena mamaly ny antso araka ny niheverana azy ny vahoaka. Feno hipoka ny kianjan’Ambohijatovo raha nanomboka ny hetsika ny mpomba ny ara-dalàna, izay mpiara-dia amin’i Marc Ravalomanana ny 90%, ankehitriny anefa dia tsy misy intsony ny hetsika goavana tahaka ireny. Mety ho noho izay koa, no tsy mahatonga saina mihitsy ny mpitondra, fa aminy dia matoa tsy mbola mirohotra midina an-dalambe ary tsy voafehy ny vahoaka, dia mbola mety izany ny fomba fitantanana ny firenena ary tsy mbola tezitra amin’ny mpitondra ny vahoaka.

Mitombina hatreto ilay fitenenana manao hoe : rehefa voky ny vahoaka dia matory, rehefa noana kosa izy dia malemy ka tsy afaka mihetsika. Tsy azo ambara mihitsy aloha fa voky Ramalagasy, koa dia ilay faharoa izany no manjo azy amin’izao fotoana. Tsy afaka mihetsika firy satria noana sy sahiran-tsaina, koa na efa miakatra in-dimy isan-taona aza ny vidin-tsolika sy ny saran’ny herinaratra sy ranon’ny Jirama dia mimenomenona kely dia mangina avy eo. Io izao fa miakatra 400 Ariary ny saran-dalana dia mimenomenona kely telo na efatra andro dia manaiky ihany.

Alohan’ny faran’ny taona izao mety hiakatra indray ny vidin’ny solika dia manaiky ihany satria hoe aleo milamina fa tsy mikorontana andro fety. Efa ho efa-taona tsy misy fifidianana vita, dia menomenona sy resabe no hita, fa samy manaiky daholo ihany. Niampy dimy hetsy ny ankizy tsy niditra an-tsekoly tamin’ity taona ity, niampy efatra tapitrisa ny tsy an’asa tato anatin’ny telo taona, fa dia miaritra eo ihany Ramalagasy. Efa tena fandringanana ny mpiray tanindrazana no misy any atsimo, fa tsy misy tena mikorapaka fa mimenomenona kely mandritra ny herinandro dia samy mangina daholo indray. Marina ny an’ny vazaha fa dia “Le pays du moramora” marina eto e ! Mora fitahana, mora ambakaina, mora ampifendrofendroina, mora ampifalifaliana, mora ampanginina dia mora mionona e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT