Edito

Minia mandiso adihevitra


  • Alakamisy 03 Desambra 2020

Iaraha-mahalala ankehitriny ny olana tena mampangirifiry ny vahoaka Malagasy

 

 

izay narongatry ny krizy ara-pahasalamana nandalo teto amin’ny firenena. Raha lazaina amin’ny fomba mivantana kokoa dia hoe noho ny fepetra napetraka nitantanana ny fahamehana ara-pahasalamana izay nanery ny fihariam-bahoaka sy nampirongatra ny fahaverezan’asa ary ny faharefoan’ny toekarem-pirenena. Efa tsinjon’ireo mpandinika raharaham-pirenena maro mialoha ny tsy maintsy hitohizan’izany amin’ny krizy ara-toekarena sy sosialy saingy minia mandiso ny adihevitra tena tokony hipetraka hatrany moa ireo mpitondra sy ny mpanaradia azy hatramin’ireo mpanao politika sasany tsikaritra ho mbola mitady tombontsoa manokana ao anatin’izao raharaha miha manahirana izao. Miakatra isan’andro ny vidim-piainana, tsy voavaha ny kere any atsimo, tsy mipetraka araka ny tokony ho izy ny paikadin’ny fitondram-panjakana tokony hamahana ny krizy. Ny adihevitra apetraky ny mpiaradia sasany amin’ny fitondram-panjakana anefa dia hoe tsy matahotra ny mpanohitra izahay. Ny teny amin’ny antenimieram-pirenena aza moa mbola izay tokony ho sazian’ny HCJ no nahavaky ny lohan’ireo depiote. Tsy azo najanona tany amin’ny andron’ny depiote 73 sy ny hetsika hafa nanaovan’ireo mpanao politika nifandimby nahazo fitondrana tany aloha mihitsy ve aloha ny resaka mpanohitra sy mpanohana ary ny valifaty politika fa mba asiana na dia topimaso amin’izay aza ny momba ireto vahoaka Malagasy mitrongy vao omana ireto? Tsy ny hiahy ny vahoakany ve moa no antony nilingilingian’ireo mpitondra handray sy hiditra anaty fitondrana? Tsy ny vahoaka aza ve no tokony ho tohanan’ny mpitondra, indrindra, ao anatin’izao zava-misy izao fa tsy ny mifanohitra amin’izany foana no tatatataina eto ?

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT