Araka ny tatitra navoakan’ilay fikambanana iraisam-pirenena miaro ny zon’olombelona Human Rights Watch, omaly alatsinainy dia nisy ny fisamboranana sy fitazonana olona am-ponja tsy ara-drariny, ny fanosihosehana ny zo mahaolona, ny fampijaliana nataon’ny tafika Ivoriana ireo mpomba ny filoha teo aloha Laurent Gbagbo.
Taorian’ny fifanolanana tamin’ny voka-pifidianana, roa taona lasa izay moa no nitrangan’izany rehetra izany raha nifaninana i Laurent Gbagbo sy Alassane Ouattara, ka ity farany no nambara fa nivoaka mpandresy, dia raikitra indray ny ady an-trano tany Cote d’Ivoire. Ny nahatonga ny olana moa dia satria ny CENIT tany an-toerana nilaza fa i Ouattara no vaofidy ho filoha, ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana kosa nilaza fa i Gbagbo no nahazo ny vato be indrindra, dia raikitra ny gidragidra. Hita ho nirona tsimoramora tany amin’i Alassane Ouattara anefa ny tafika, koa dia nihena isan’andro ny herin’i Laurent Gbagbo ka dia ireo mpiambina akaiky azy sisa, no hany niaro azy.
Niditra an-tsehatra ny miaramila Frantsay. Nisafotofoto be ihany ny raharaha, satria samy nanana ny fomba filazany ny andaniny sy ny ankilany. Ny sehatra iraisam-pirenena moa hita taratra fa nanohana an’i Ouattara, hany ka resy ho azy i Gbagbo sy ny ekipany ka natao sambo-belona tao an-dapa. Tao anatin’izany rehetra izany dia navaivay ny fanenjehana ireo nambara fa mpomba ity filoha teo aloha ity, ary voalaza fa tena henjana ny fampiasan-kery nataon’ny tafika. Eo am-pelatanan’ny fitsarana iraisam-pirenena i Gbagbo ankehitriny, fa tsy afa-miala tamin’ny fihoaram-pefy nataony ihany koa ireo miaramila niara-dia tamin’i Alassane Ouattara ka nanao ny tsy nety, ary tena manana ny lanjany goavana ity tatitra navoaky ny Human Rights Watch ity, satria nampihanjahanja ny fampiasana herim-pamoretana hanapotehana ny mpifanandrina politika amin’ny tena. Na nety, na tsy nety ny zavatra nataon’ny filoha Ivoarianina teo aloha, Laurent Gbagbo dia tsy manan-jo hampihorohoro sy hampijaly ireo izay niara-niasa taminy, na mpomba azy ny mpitandro filaminana.
Fomba fiasa efa fahita matetika aty Afrika ity nitranga tany Cote d’Ivoire ity, ary efa niseho teto Madagasikara ihany koa tamin’ny 2009 – 2010 ka nanenjehana sy nampihorohoroana ireo nambara fa niaraka tamin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Niditra an-tsehatra tamin’izany ny miaramila sy ny zandary ary maro be ny fanitsakitsahana tsotra izao, ny zon’olombelona tahaka ny fampadohalehana sy fanerena olona handady amin’ny tany, ny fampiboridanana, ny fikasihan-tanana, ny famoahana ny sarin’ireo olona nosamborina ho hitam-bahoaka kanefa tsy mbola nisy didy raikitra avy amin’ny fitsarana akory nanamafy fa tena meloka tokoa izy ireo. Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy ho avy ny fotoana hanadinana ny tsirairay avy nahavita ireny zava-doza ireny, milamina dia …misesy e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.