Edito

Mila vonjy


  • Alakamisy 22 Jona 2023

Asa raha tadidintsika ilay hira hoe «Mila vonjy ny gasy lahy, ny fahamarinana tsy misy hita fa tapitra nafenin-drizalahy. Mila vonjy ny gasy vavy, ny olo-marina nantenaina misy mitady hamono sy hamosavy.».

Vao nanombonomboka ny taona 2000 no efa tsapan’ny mpanakanto nihira azy izany toe-javatra izany. Atao hoe am-polony na 20 taona lasa izany no efa toy izany ny fanahiana sy tebiteby mikasika ity firenena ity dia mainka manao ahoana ny toe-draharaha ankehitriny? Inoana fa tsy misy tsy miaiky intsony izao fa tena mila vonjy ilay Madagasikara. Mitsingerina ny fetim-pirenena. Andiany faha 63 izao no hankalazaina atsy ho atsy saingy iaraha-mahalala fa mbola adihevitra hatramin’izao foana ny hoe mahaleotena ve sa tsy mahaleotena? Ny JIRAMA sisa angamba no hany fantatry ny maro fa mbola «mba» azo antsoina hoe orinasam-panjakana na dia efa mametraka adihevitra aza ny hoe ofaina amin’ny sehatra tsy miankina, izay ana teratany vahiny ny ankamaroany, ny 80%n’ny fitaovana ampiasaina na koa hoe mitovy amin’izay tarehimarika izay koa ny lany amin’ny resaka solika. Ny 15% mifantoka amin’ny fandaniana samihafa sy karaman’ny mpiasa fa 5% ve izany sisa no mba afantoka amin’ny fikojakojana sy fanoloana ireo fitaovana? Izany adihevitra sy fanontaniana isan’ny manitikitika amin’io resaka JIRAMA io daholo ankoatran’ny fanontaniana maha kely fanantenana hoe mety mbola mba ho avotra ihany ve izy io sa sanatria hanaradia ny fahabankisan’ireo orinasam-panjakana hafa nanomboka tany amin’ny 1990 tany no nankaty toy ny tranombarotra Roso, ny Sirama, ny Secren, ny Airmad sy ny hafa rehetra? Inona marina moa izany no tena mba fananganana nentin’izao fitondrana izao ka hoe mba niantraika tany amin’ny fihatsaran’ny fiainan’ny vahoaka malagasy? Toa ny vavolombelon’ny tantara efa an-dalan’ny hisandratra ho vakoka iraisampirenen’ny Unesco indray aza ity no nahetriny ho lasa mozea sisa? Lasa voambolana fampiasa amin’ny sehatra politika sy sosialy moa ankehitriny ilay hoe «werawera» fa ho an’ireo siantifika mandinika ny atao hoe kolontsaina dia ireny niseho teny anaty rova ny alin’ny alahady teo ireny ilay antsoina hoe «folklorisme». Seho ivelany tsy fanta-pototra no dikan’izay ary mety, sanatrian’izany, mamafa ny kolontsaina raketin’ny vakoka na fomba iray mihitsy aza. Isan’ny santionany bitika ao anatin’izany, ohatra, ny resaka fady izay nisy tsy naharitra dia mbola nampahatsiahy moa tahaka ny hoe any amin’ny vavahady atsimo no tokony hiditra ny tsy mifora na koa hoe fady kosa raha ny tenin’ireo mpambabo ny mpanjaka tao anatin’io lapa io fahizay mihitsy no natao teny nampiasaina nandritr’ilay lanonana. Taiza no nisy malagasy mbola nanao fitokanana na fankalaza tanaty masoandro nilentika izany fa dia amin’ny maha mpamakafaka sy mpandalina ny kolontsaina moa izany dia miandry ny fiantraikan’ny antsoina hoe «lalam-panahafana» na «analogisme» taorian’ireny heverina ho fanotana fady ireny. Nisy mpitarika fikambanana mihitsy aza moa nilaza hoe miantso ny tohin’ny ozona mihatra ny fitokanana toeran-kafa nampidirina letrezana tao na dia tsy misy ifandraisany amin’ny tantaran’izao firenena izao aza. Mila vonjy ny firenena!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT