Tena vitsy mba tsy ilazana hoe tsy misy ny zavatra mahafinaritra na mahasoa na nitondra voka-tsoa, nitranga nandritra izao fitondrana tetezamita izao.
Krizy miha mafy sy mampahantra ny isan-tokantrano no malaza teto amin’ny firenena tato anatin’ny telo taona mahery izao. Fa nisy hatry ny ela ny vaky trano, fanendahana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana, fisolokiana, asan-dahalo, trafika isan-karazany, saingy tato anatin’izao tetezamita izao dia niroborobo izy ireo. Any ivelany izao raha vao miteny hoe Madagasikara, dia fanonganam-panjakana sy boaderôzy no tonga voalohany ao an-tsain’ny olona. Tena misy tokoa ny vahiny tonga eto. Ao ny milaza fa mpizahatany, eo koa ny mpandraharaha. Ny ankamaroan’izy ireo anefa dia te hanao afera eto, satria mora ahitana volabe, hono, eto izao. Eo ny fitrandrahana volamena, safira, diamondra, merkiora any amin’ny faritra maro tahaka ny any Fandriana, Sakaraha, Maintirano, Ambatondrazaka, Antsirabe.
Dia ireny efa iaraha-mahita ireny ny boaderôzy tratra tany Maorisy sy Kaomaoro, teo ihany koa ny bolongana volamena tafavoaka teny Ivato, ka nisy ny tratra tatsy Kaomaoro. Ny mpitrandraka harena ankibon’ny tany vahiny sasany, amin’izay milaza fa mbola manao fanadihadiana kanefa dia efa mandavaka ary mitrandraka tsotra izao dia manondrana an-tsokosoko, azo atao vavolombelona amin’izany ny mponina any amin’ireo faritra misy harena ankibon’ny tany sy vatosoa ireo. Izao dia manomboka malaza eto indray ny klioba satanika, ao no milaza fa tena misy izy io, misy kosa no mahita fa fanadalàna saim-bahoaka ilay izy, fa na ahoana na ahoana aloha, dia miteraka voka-dratsy eo amin’ny fiarahamonina Malagasy, ity resaka satana ity. Nirongatra be ihany koa ny asan-jiolahy sy ny fanafihana mitam-piadiana, na an-drenivohitra io, na ambanivohitra ary hita fa tena sahiran-tsaina amin’ilay asan-dahalo any atsimo mihitsy ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana satria efa tena mihantsy ady mihitsy ny dahalo, tsy matahotra izany zandary sy miaramila izany intsony.
Amin’ny saina tsy miangatra mihitsy no ilazana fa milamina kokoa noho ny amin’izao fotoana ny fiainan’ny Malagasy mialoha ny 2009. Nitsoka teto moa ny rivotry ny fanovana, nambara fa nampahantra vahoaka ny mpitondra teo aloha, fa asa hoe manasoa ny vahoaka ve izao fitondrana tetezamita izao ? Niova nihatsara ve ny fiainan’ny Malagasy ? Nahoana no tsy voafehy ny fitandroana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ? Nahoana no ny hafa foana no omena tsiny sy alaim-baraka ? Hanova inona amin’izao fiainana efa tena sarotra izao ny fanasoketana isan’andro ny mpitondra teo aloha ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.