Atao hoe nakotrokotroka, nanetriketrika, nanjelanjelatra mihitsy izany iny ny fitsenana ilay satro-boninahitry ny tataro-piandrianan’ny mpanjaka Ranavalona III.
Tsy very izy iny, heverina anefa fa ilaina ny manao izay fanamarihana izay, fa nalain’ny frantsay an-keriny sy nobodoiny kosa tao anatin’izay 123 taona izay. Tsy nanery ny frantsay hamerina azy iny eto ihany koa izany isika rehefa tena zohiana ny fandehan’ny adihevitra sy ny fampitam-baovao rehetra avy any sy avy aty fa nahim-pon’ity firenena avy nambabo ny nosy maintso fahiny ity ny namerina ny sombim-bakoka nesoriny teto fahizany. Na ilay famerenana koa aza mbola indrisy anefa fa miteraka adihevitra marolafy. Naverina sa nampindramina? Raha nalaza ho nomena antsika Malagasy fotsiny fa tsy niadiana ny fahaleovantenam-pirenena tamin’ny 60 taona lasa dia eto indray izany resaka vakoka hankalazaina ho mitory fiandrianan’ity nosy ity kanefa dia mbola mampametra-panontaniana hoe tena naverina ve sa nampindramina? Ny hirariana, amin’ny maha tia tanindrazana antsika rehetra, moa anefa na izany aza dia ny hitoeran’izy iny eto mandrakizay amin’izay tokoa. Etsy ankilany dia mbola miandry ny hiverenan’ireo izay tena tsapany ho very anefa ireo rehetra mbola tena maniry ny hisandratan’ity firenena ity. 100 taona mahery no tsy nahitana io satro-boninahitra io teto dia izy io tafaverina eto indray, hoy ireo mankasitraka iny fiverenana omaly iny. 100 taona mahery koa no tsy naha very ilay satro-boninahitra iray fa tsy hita ilay izy noho ny tonga ny sasany, hoy kosa ny setrin’izany avy amin’ireo tsy dia mahita ny antony nanaovana fihetsiketsehana be omaly loatra. Aiza tokoa ary izao io tsy hita nisy nangalatra io? Efa misy mangirana ve ny fanadihadiana? Misy ve ny finiavana hitady sy hamerina azy? Aiza ihany koa ilay goavana indrindra tena nandrasana iray izay hambaran’io antoko politika sy fikambanana sasany fa lasan’ny mpanjakana tamin’ny fangalarana mihaja dia ireo nosy manodidina na hoe nosy Malagasy, hoy ireo te hamerina azy mafy ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.