Sarotra apetraka ny fitoniana politika eto Madagasikara, ary kely sisa dia tafiditra ao anatin’ireo krizy sarotra alamina indrindra ny krizy malagasy.
Tsy misy ady an-trano eto, kanefa efa tena maro be ny olona marary sy maty, noho ny krizy. Tsy mbola tena tafapaka aty ny krizy ara-bola any Eoropa tahaka ny nahazo ny Grika sy ny Espaniola ary ny Italiana, saingy mitombo isan’andro ny tsy an’asa ary tokantrano maro no manao sakafo ambany foitra. Tsy misy hain-tany sy areti-mandoza eto, kanefa tsy ampy ny sakafo ary na misy aza eny an-tsena dia lafo izy ireny ho an’ny sarambabem-bahoaka. Efa nampitandrina ireo mpahay toekarena fa 2 na 3 taona taorian’ny 2009 vao tena hiantraika mivantana amin’ny vahoaka ny krizy, dia io tokoa fa mitranga ilay izy. Tsy mety vita ny fifampidinihana, toa vao mainka aza lasa sakay sy maso mihitsy ireo mpifanandrina. Nampitombo ny elanelana indray ilay dinika tany amin’ny Nosy rahavavavy, Seychelles, ary resaka fotsiny aloha no tena betsaka hatreto, fa raha ny fampiharana dia tsy misy hita mivaingana.
Natsangana ireo rafitry ny tetezamita araka ny voasoratra ao amin’ny tondrozotra, navoaka ny tetiandrom-pifidianana, saingy tsy miroso ny dia fa toa mihemotra. Lasa governemantan’ny fisaratsarahana ilay governemantan’ny firaisam-pirenena, ary tsy fantatra mazava ny tena fahefan’ny praiminisitra. Manampy trotraka an’io ny fisian’ny governemanta kely ao Ambohitsorohitra, ka tena manao izay tiany amin’ny fitantanana ny firenena. Nisintaka ny ankolafy Ravalomanana, tsy niditra ny ankolafy Zafy, mitazana ety ivelany fotsiny ny ankolafy Ratsiraka, mikofokofoka mafy kosa ireo mpanao politika nasondrotry ny krizy, ka na tsy manana antoko sy tsy olom-boafidy akory aza, dia milaza fa mitondra ny hetahetan’ny vahoaka. F’angaha moa ny hitaran’ny tetezamita no hetahetan’ny vahoaka, fa hetahetan’ny vahoaka marina ve ny fitantanan’ankolafy tokana ? Moa va efa tena nilaza marina ny vahoaka maro an’isa fa tsy mahazo milatsaka hofidiana Rakoto fa Rabe ihany no afaka manao izany ? Tsy mbola manaiky ny hodian-dRavalomanana eto koa, hono, ireo be galona ao amin’ny foloalindahy.
Fa nahoana, dia inona no antony ? Fa izy ireo ve izany no tompon’ny fahefana rehetra ka manakana izay tiany sakanana, ary mandroaka izay tiany roahana. Hivory ny SADC amin’ny 17 aogositra ho avy izao, hisy ny fanapahan-kevitra tsy maintsy ho raisina, dia hanao ahoana indray ny mety ho tohin’ny tantara. Hanaiky an’io fanapahan-kevitra io ve ny rehetra ? Azo antoka fa tsy maintsy hisy ihany koa ny diniky ny samy Malagasy, eto Madagasikara ary toa efa miomana amin’izany ny FFKM, rehefa avy natoritory fotoana maharitra ihany. Maro no manantena fa hahavita be kokoa noho ny fiarahamonim-pirenena ireo filoham-piangonana ka izay vao tena hisy dingana lehibe amin’ny famahana ny krizy. Fa raha sanatria moa ka mamoaka fanambarana manjavozavo sy feno fandrika indray ny SADC dia mety ho rava izany rehetra izany, ka hitombo indray ny fifandirana eto, dia hifarana ihany ny 2012 fa tsy hita izay zava-bita. Na izany aza anefa, dia mbola manantena ihany ramalagasy, fa indray andro any ho tonga saina ihany ny mpanao politika, ka tsy hanaiky horebireben’ny vola ary tsy hanaiky hofitahan’ny vazaha intsony, dia mba mety hilamina amin’izay ...angamba ity Gasikara ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.