Edito

Matsatso loha


  • Alakamisy 08 Oktobra 2020

Mety ho marina amin’ny ampahany betsaka tokoa ireo zava-boalazan-drizareo avy eo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina omaly mikasika ny

 

tsy tokony hamelana malalaka ireo hetsika na teny na fomba hafa mety hanivaiva ny foto-pisainana sy sotoavina Malagasy. Isaorana azy ireo ny fampatsiahivana fa natao hanabe ny olon-drehetra tsy an-kanavaka, indrindra, fa ireo mpanakanto saingy… efa nampoizina ihany koa anefa no setrin’ireny fananarana nataon’izy mirahalahy omaly ireny avy amin’ny mpanara-baovao satria mitsara ny tantara. Iza moa no tsy nahatadidy ny karazam-pampihomehezan’ilay tale jeneraly iray iny fony izy mbola nanao hatsikana ranofotsiny. Izy moa hatreto dia milaza fa na eo aza ny adidy iandraiketany eo anivon’ny minisitera dia tsy manakana azy hanohy ny fivelomany hafa fahiny izany. Eny ary tompoko! Andao fa lalana, hoy ny olon-kendry, saingy eo no mipetraka ny fanontaniana hoe iza izany no tokony ho atao fitaratra voalohany ao anatin’ilay fanabeazana maha olompirenena tiana ho apetraka eto? Avy any ambony mantsy, hono, ny ohatra, hoy ny fitenenana vahiny izay. Biby tsy manan-doha tsy mahita aleha, hoy kosa isika. Toa toy ny fary hatrany anefa ny fihetsika sy fiteny asehon’ireo mpitari-drafitra eto amin’ity firenena ity hany ka lasa matsatso loha ny fitantanana ilay firenena. Hafa ny lazain’ny vava, hafa ny ataon’ny tanana. Zary maika lava amin’ny fandrarana, mba tsy hamerenana ny voalazany omaly hoe “fandidiana”, sy ny famaizana fotsiny fa tsy hita ho mbola manome ohatra maharesy lahatra hatreto. Tsy tsiahivina intsony angamba ny nafotsik’ilay talen’ny serasera teo aloha izay. Dia hahagaga ve raha nitokona omaly ireo taxi moto eto an-drenivohitra na koa ny fitsipahan’ireo tomponandraikitra amin’ny sehatra isan-karazany ny fanapahan-kevitry ny lehibeny toy izay afitsoky ny mpitantana anivon’ny baolina kitra sasantsasany ankehitriny ?

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT