Tsy dia tokony misy antony hibitahana loatra ny nahazoana ilay vola fanampiana manokana avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, nambara tamin’ny herinandro lasa teo satria ireny no porofo fa tena mahantra fadiranovana ny Malagasy ary tena mitotongana ny toekarem-pirenena.
Samy mikoroso fahana na ny fahasalamana, na ny fampianarana. CSB efa ho 300 no nikatona tato anatin’ny telo taona, ankizy 5 hetsy be izao no tsy afaka niditra an-tsekoly intsony, tsy nisy afa-tsy 1,1% ny tahan’ny fitombon’ny harinkarena faobe (?) tamin’ity taona ity. Manampy an’ireo ny fitombon’ny isan’ny tsy an’asa sy ny tsy fanjarian-tsakafo. Nosokajiana ho tena mahantra ny 77%-n’ny Malagasy izany hoe Malagasy 2 amin’ny 3. Mamadika ny resaka mantsy ny sasany ka manao dokam-barotra etsy sy eroa fa hoe nahavita be hono, ny fitondrana tetezamita. Moa ve ho takonana amin’ny kianja sy hopitaly manarapenitra izany ny fijalian’ny vahoaka. Ho voakosiky trano mora sy ny vary mora ve ny fanaintainan’ny olona, very asa, simba fanana, namoy ray, reny, rahalahy, rahavavy noho ny firongatry ny asan-jiolahy nandritra izao fitondrana tetezamita izao.
Tsy fanisa ny maty, sanatriavina ihany, saingy raha atao ny kajy, tena efa maro lavitra noho ny maty tamin’ny 7 febroary 2009 ny namoy ny ainy noho ny fahasahiranana sy ny fahantrana ary ny asan-jiolahy nandritra ity tetezamita ity. Ny hita maso ankehitriny dia miha lehibe hatrany ny hantsana mampisaraka ny mahantra fadiranovana sy ny mpanankarena eto amintsika. Tena nisy mihitsy tamin’ny 2008 – 2009 ny mpanao politika sasany, azo nambara hoe tahaka ny olon-tsotra sahirana rehetra.
Telo taona aty aoriana anefa dia sady bolangina aok’izany no nahavita trano tsara tarehy sady manana ny fiara hiaka farany nivoaka tany ivelany, dia tena mampanontany tena hoe : ahoana ary no nataony, moa misy tokoa ve ny fahagagana sa tena mampanankarena haingana dia haingana marina ny fanaovana politika eto Madagasikara ? Nokianina hoe nanao didy jadona sy nampivangongo ny fahefana teto Antananarivo ny fitondrana teo aloha ; ilay tatitry ny Banky Iraisam-irenena farany teo anefa dia nilaza mazava, fa mivangongo ao amin’ny fitondrana foibe ny 95%-n’ny tetibola ampisain’ny fitondrana tetezamita, ary tsy misy afa-tsy ny 5%-n’io tetibola io no mba tantanan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, toy ny Faritra sy ny Kaomina. Porofo mitohoka amin’ny tenda izany fa tsy voahaja mihitsy ny fitsinjaram-pahefana. Voasokajy ao anatin’ireo firenena tena mahantra i Madagasikara, ka izany no nahatonga ny Banky Iraisam-pirenena hamoaka vola ho vonjy aina. Raha tena nitsinjo ny vahoaka marina anefa i Andry Rajoelina izay mahafantatra tsara ny tsy maintsy ho fiantraikan’ny krizy isan-tokantrano, dia mba naompany hanaovana asa sosialy tanteraka fa tsy nidedahana nanorenana kianja sy hopitaly etsy sy eroa ny vola 100 tapitrisa dolara azo tamin’ny Wisco. Tena ilaina ny hopitaly hitsaboana, saingy tsy izany aloha no maika izao fa ny fiainana an-davanandron’ny olona.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.