Eto Madagasikara no ahitana teratany Frantsay maro indrindra aty amin’ny kaontinanta Afrikanina. Mahatratra 30 000 izy ireo.
Nanamafy ihany koa Atoa Jean Christophe Belliard, masoivoho Frantsay eto amintsika ny sabotsy 14 jolay lasa teo, fa manana toerana lehibe amin’i Frantsa i Madagasikara. Tsy azo kosehina na ovaina tokoa ny tantara fa izay nitranga dia nitranga, 96 taona no nanjanaka an’i Madagasikara i Frantsa. Nanova zavatra betsaka teto izany ary nahafahana nanomana ny ho avy. Ireo vahiny tantsambo sy mpanao varo-mandeha fahiny dia samy nahatsikaritra fa manankarena ity Nosy ity, saingy ny Anglisy sy ny Frantsay moa no tena nanan-kevitra ny hanorim-ponenana teto. Nifanaraka ny roa tonta koa dia nifanekena fa i Frantsa no hitantana an’i Madagasikara. Ny nataon’ny Frantsay voalohany dia ny nandrava ny fitondran’ny andriamanjaka sy nanova ny fomba nahazatra ny Malagasy. Nampihatra ny politikan’ny zarazarao hanjakana teto i Galliéni. Tetika maty paika ny fanjanahana ara-tsaina natao teto, nampifandrafiana ny samy Malagasy mba tsy hiray hina, izay misaraka fasika...tsinona. Nanomboka tamin’ny 1896 dia namboly ny fifandrafian’ny Malagasy monina afovoan-tany sy ny any amoron-tsiraka ny Frantsay, ary niray tsikombakomba taminy, tamin’izany ireo Gasy-vazaha taratasy.
Nomen’ny Frantsay tombontsoa manokana amin’ny resaka fianarana ny zanak’Antananarivo, nahazo avara-patana tamin’ny mpanjanatany ireo fianakavian’Andriana maromaro, tsy nahafaly ny avy any anindran-tany izany, ary nampitombo ny fankahalan’izy ireo ny taranak’Ilaidama. Ny mpamendrofendro sy mpanisy sira koa moa no betsaka ka dia tonga tamin’ny tanjona niriany ny Frantsay. Nizarazara ny Malagasy ary izy samy izy ihany dia afaka mifamono. Taorian’ny ady lehibe faharoa dia tsy lamaody intsony ny fanjanahantany. I Lafrantsa rahateo efa reraky ny ady, tsy tafavoaka raha tsy nampian’ny Amerikanina sy ny Anglisy, ka tsy maintsy nanafaka ireo zanataniny. Sarintsarina fahaleovantena ihany anefa no nomena, fa dia efa nametraka rafitra hahafahany mifehy ireo zanataniny fahiny ireo ny frantsay. Madagasikara rahateo manankarena. Misy solika sy vatosoa ary vato sarobidy maro samihafa eto, mahavokatra ny tany, ary azo karamaina mora ny olona. Izany rehetra izany, no mahatonga ny Frantsay miezaka hatrany manara-maso ny zava-misy eto sy mametraka ny olony amin’ny fitantanana an’i Madagasikara, ka rehefa tsy saribakoliny no tonga eo dia tsy maintsy mirodana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.