Edito

Izay ipoahany any irehetany


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2020

Ho tapitra anio ny fe-potoana farany ahafa-mandrotsaka ny antontan-taratasy ho an’ireo te hibata ny sezan’Anosikely.

 Efa tongotra mby an-dakana io ho an’ny mpitondra ka izay hipoahany any hirehetany. Izay hiafarany no mbola tsy hay hoe: handeha araka ny hiheverana azy sa hitsefotra eny am-pandehanana? Efa niseho ny tahaka an’io tamin’ny fitondrana teo aloha, izay efa eo amin’ny fanoherana ny olony amin’izao fotoana izao. Lakalaka sy kodiaran-tsarety ny politika, ary maro ny zavatra tsy hampoizina. Mety ho lasa lavitra ny zavatra tahaka izao, hoy ny mpanao politika iray nitety vanim-potoana, niara-niasa sy nanana andraikitra ambony foana tao anatin’ny Fanjakana nifanesy. Ny eo amin’ny fitondrana ankehitriny no isan’ny tsy nanaiky lembenana sy niezaka nitrongy ny teo amin’ny fahefana. Ny omaly tsy miova ny endriky sary politika, fa miova fotsiny ny anjara toeran’ny mpilalao politika, ka dia asakasak’izay tsy mahay maka lesona. Ny fahatokisan-tena diso tafahoatra no isan’ny poizin’ny ho an’ny mpitondra nifanesy teto satria mihevitra fa milamina ny zava-drehetra rehefa voafehy ny fahefana, rehefa misy ny vola,… Tsy maintsy hotsaraina tamin’ny nataony ny tsirairay, fa tsy misy ny mandrakizay. Asa hoentina any anaty lavaka mangitsikitsoky ny korontana indray ve ity firenena ity? Mby aiza ny vahaolana mafonja sy politika mazava hoenti-mamaha ny olan’ny firenena? Ny zava-misy mantsy dia hafa no lazaina anio, hafa no tenina rahampitso. Sao sanatria isika ilay milaza ny hampindrana an’i Kaomoro indray no hataon’ny olona fihomehezana eto? Tsy fantatra intsony mantsy ny lalan-kizorana fa ilay Filoha nilaza fa tsy mila trosa no mangataka ny hanafoanana ny trosa nalaina, mba ahafahana maka vaovao indray. Mitotongana ny toekarena sy sosialy na maneho fa miasa aza ny fanjakana ka sao sanatria sanatria mihazakazaka manenjika ny rambony izay tsy nisy tao anatin’ny 60 taona isika ?

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT