Tsy ilaozana savorovoro ny fitondrana tetezamita.
Taorian’ny ampamoaka nataon’i Alain Ramaroson nanondro mazava ny mpikambana ao amin’ny governemanta ho anisan’ny atidoha nikotrika ny famonoana ny zana-drahalahiny, dia nahoraka indray ny fitakiana fanoloana minisitra. Mbola tafatombina tsara eo amin’ny sezany anefa ireo minisitra mirahavavy hatramin’izao. Farany teo indray dia ny filankevitra ambonin’ny tetezamita no nifantohan’ny sain’ny mpanara-baovao satria dia namofompofona fandrodanana ny birao maharitra teny Anosikely teny nandritra ny herinandro, saingy efa nilamina ihany aloha ny resaka.
Mbola tena tezitra amin’ny minisitry ny vola sy ny tetibola kosa anefa ireo mpikambana ao amin’ny CST ka azo antoka fa hafana ny fifanatrehana amin’ny governemanta. Resa-bola no fototry ny olana. Raha tokony ho 33 miliara Ariary mantsy ny tetibolan’ny CST ao anatin’ny herintaona dia nahena ho 13 miliara Ariary, hany ka tsy faly ireo mpikambana. Ny minisitry ny vola no ambaran’izy ireo fa tompon-kevitra tamin’ity fampihenana ny tetibola tokony hampiasain’ity andrim-panjakana iray ity. Nivoaka koa ny resaka teny amin’ny CST fa hoe maro ny fandikan-dalàna amin’ny fampiasana ny volam-panjakana, ka tompon’andraikitra tsy afa-miala amin’izany ny minisitry ny vola. Matetika dia io resaka vola sy seza io no mampiady ny mpitondra tao anatin’ity tetezamita ity. Izay very seza tonga dia lasa mpanohitra sy manao ampamoaka tampoka.
Tahaka izany koa ireo tsy nahazo matevintevina ara-bola na voailika tampoka tamina bizinesy tany ambadimbadika tany. Ireo izay matavy sy manana ny ampy kosa dia vonona ny hamono tena ho an’ny tetezamita mihitsy. Hatrany am-boalohany dia efa nibahan-toerana tamin’ny politikan’i Andry Rajoelina ny vola, ary izay amin’ny ankapobeny no nahazoany ny fitondrana sy nanarahan’ny mpanao politika maro azy. Hany ka rehefa tsy misy ny seza sy ny vola dia tezitra ny sasany efa zatra nihinam-be. Efa volabe no raisin’ireo olom-boatendry ao amin’ny CT sy ny CST isam-bolana na dia tsy tena hita misongadina akory aza ny asan’izy ireo, kanefa tsy mbola mahay mionona ihany ry zareo fa mitaky volabe foana isaky ny mihetsika. Maro ny olona resy lahatra fa tsy tokony hozarina handray karama be izany ireo mpitondra mandritra ny tetezamita satria anaty krizy ny firenena.
Tsy maintsy miafy daholo fa tsy hoe ny mpiasa madinika na ny vahoaka ihany no miafy sy manao sakafo ambany foitra, fa ny sasany voky an-tenda maraina antoandro hariva. Fa inona moa ny olana raha mba ny kely ananana no hifampizaran’ireo parlemantera ireo fa tsy ho tia tena ka te handray 2 tapitrisa na 3 tapitrisa Ariary isam-bolana isanisany izy ireo ? Tezitra ery ny mpanao politika malagasy rehefa mahazo lesona momba ny fitondran-tena sy ny fanaovana politika avy amin’ny any ivelany, kanefa dia io iaraha-mahita io fa tsy mihetsika raha tsy volabe ny ankamaroany. Fa fitiavan-tanindrazana marina ve no hidirana anatin’ny tetezamita sa fitiavam-Bo….la e ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.