Edito

Efa tena tafahoatra kosa e !


  • Talata 08 Martsa 2022

Tanteraka tokoa ny zavatra tsy mbola vitan’ny teo aloha tao anatin’ny 60 taona, saingy miseho amin’ny endriny miiba fa tsy miabo.


 Tena nosongonana tato anatin’ny telo taona aza izany: kolikoly, dosie maloto, fitondran-tena miteraka resabe, vava tsy ambina, tsy fahaiza-mitantana, fahantrana, toekarena miabo, tany haorin’ny vahiny, manampahefana mpangoron-karena tapitr’ohatra, mpitondra fanjakana tsy manaiky ho diso,… Tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona ny tahaka izao. Mba nanao ny tsy nety sy mba nanana ny fahadisoana avy ny mpitondra nifanesy, fa ity tena tompondaka. Tena mbola tsy mety voasongona sy voafafa ilay fanambanian’ny vahiny tamin’ny andron’ny tetezamita hoe: “sans qualité”. Ny mahagaga, tsy tena sahy manadio sy mikitika ireo manodidina azy ilay Filoham-pirenena, fa toa mitaiza varatra ao anaty Fanjakana. Efa tena tototry ny tsikera, ataon’ny olona fihomehezana sy fanalan’andro sisa ny olon’ny governemanta sy ny tompon’andraikitra ambony sasany, saingy tsy mety tonga saina ny mpanapa-kevitra. Tena mbola mahatoky sy miantehitra hatrany ve ny Fanjakana fa vahoaka efa tsy hihetsika intsony ireo na inona na inona hadalana sy hagegena ataony? Tsikaritra ho miakatra hatrany ny lentan’ny afera sy ny kolikoly eto amin’ny tany sy ny Fanjakana, ary efa tena tafahoatra. Niainga tany amin’ny vola nampiasaina tamin’ny coronavirus no tsy mazava ny fandaniana amina miliara maro, io misy manao ampamoaka io ihany koa ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale), rehefa kelikely mety ny vola ao amin’ny Banky Foibe no hisy handroaka ambongadiny,… Saika olona avy tao amin’ilay sehatra na minisitera no mamoaka ny zavatra efa tsy zakany intsony ny finiavana hikipy amin’ny mety ho endrika fandrobana volam-bahoaka, toy ny tao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana saingy ny fanapenam-bava tamin’ny alalan’ny fanenjehana sy fanamelohana ara-pitsarana no tena natao. Io ihany koa fa vaky ny raharaha CNaPS izay zon’ny Fanjakana ny mandiso sy mitondra fanamarinana mazava sy mitombina fa tsy mbola famahanan-dalitra, saingy ao raha matoa minia mangina sy manenjika izay heverina ho namaky am-batolampy ny afera no hihazakazahana. Tena sokajiana ho vendrana sy badraodra ary hanaovana taingim-bozona mandrakariva ve ny Malagasy? Aiza ve ka ka sady efa tsy voakarakara ny lafiny toekarena sy ny sosialy satria mihasarotra isan’andro ny fiainana, kanefa dia ny mba vola kely hitsinjovana ny ho aviny afaka 20 na 30 taona no mety misy mangalatra sy manodinkodina antsokosoko? Sao mba efa diso tafahoatra ny filalaovana afo ka tsy ho zaka ny firehetany e !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT