Ny firenena tsy naka lesona tamin’ny tantara, hoy ny filozofa Karl Marx izay,
dia voahozona hiverina iaina izany indray. Manara-jotra sisa izany no azo atao, raha mijery ny toe-draharaha ankehitriny. Niaina fahantrana ny firenena hatramin’ny fotoana nanomezana azy fahaleovantena, mba tsy hilazana hoe hatramin’ny nambabon’ny mpanjanaka azy koa nanomboka ny taona 1896. Tsy nety tafala tao anatin’izany ihany anefa izy nanomboka teo ka hatramin’ny fotoana nivadiany ho repoblika mandrak’anio. Tsy maintsy mandroso no hiraina isan’andro nefa tsy misy hita afa-tsy na fampandehanan-draharaha na fanaovana hetsika sosialy “vonjy tavan’andro”, hoy ny mpamakafaka namana izay, no zary hita nandritry ny taona maro nanomboka ny taona 2013 no ho nankaty. Tsy sasatry ny nandravina fipoahana krizy ny firenena nanomboka ny taona 1972, 1991, 2002, 2009, 2018 dia io indray amin’izao fotoana fa lany andro sy variana mifandrirarira amin’ny resaka tsy fahadiovan’ny fifidianana sy ny fanekena mpitondra efa noporofoina fa tsy tokony malagasy ara-taratasy intsony. Ny ady hevitra momba ny resaka fananana na tsy fananana maro an’isa moa dia tsy miova mihitsy toy ny efa fahita hatramin’izay. Manamafy io izany ny mpanohitra fa tsy nanao lalao madio ny CENI sy HCC ary na dia efa izany aza no nitranga dia mbola tsy afa-nanoatra ihany ireto rafitra miisa 2 ireto fa ny vokatra navoakany dia raha maherin’ny 11 tapitrisa ireo mpifidy voasoratra anarana dia 2 tapitrisa tamin’ireo monja no nandany fanindroany ilay filoham-pirenena mampiady hevitra ankehitriny. Miziriziry nefa ny etsy an-daniny fa mamim-bahoaka sy nolanian’ny maro an’isa fiodinana voalohany satria nahazo salan’isa 58% mahery. Inona moa fa tsy dia manaran-jotra sisa izany no ataontsika?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.