Edito

Edito Betsaka no tokony ianarana


  • Talata 01 Febroary 2022

Nalaza tato ho ato ny atao hoe “cybercrime” sy ny “cybercriminalité” ary rehefa nahita ilay famaritan’ireo vahiny azy, izay isaorana ireo nizara izany moa,

 dia tsikaritra, andaniny, fa mahatsikaiky ny zava-mitranga eto amin’izao fotoana izao. Maha sorena sy maha menatra koa anefa, ankilany, satria raha tena mifantoka amin’ny fikirakirana avo lenta io tekinolojia sy hairaha vaovao io ho an-drizareo firenen-dehibe izany atao hoe “cybercrime” sy “cybercriminalité” izany dia fametrahana fanontaniana any anaty tambazotran-tserasera kosa dia efa nampidirina ho isan’izany farany teo taty amin’ny firenena mahantra taty. Heloka ana habaka moa no nandikantsika azy ary isan’ny azo lazaina ho tsetsatsetsa tsy aritra mbola tsy dia mazava amin’ny maro loatra koa anefa io. Niitatra be avy eo ilay resaka. Tafiditra tany amin’ny firesahana ny atao hoe soatoavina. Tsy nanana fanazavana afa-tsy izay nifantoka tamin’ny voambolana hoe “famingavingana” na “faniratsirana” ny mpiaradia amin’ny fitondrana tao anatin’izany rehetra izany. Mora tamin’ireo tsy mankasitraka ny zava-miseho ankehitriny anefa ny nampahatsiahy ny faniratsirana raiamandreny maro teto amin’ity firenena ity izay nataon’ireo mpitondra sasany amin’izao fotoana izao sy ireo mpiaradia aminy ihany koa. Ny filanjana vatapaty nisy soratra hoe “Veloma Rajao” isany. Ny fanontaniana hoe “Hatraiza ny andraikitry ny Mgr Odon Marie Arsene Razanakolona” mikasika ny resaka fikasana hamono filoham-pirenena tamina gazety mpiseho isan’andro iray isany. Ny resaka “resort” tamin’ny fotoan’androny isany. Tonga hatrany amin’ny hoe tsara toerana hampianatra soatoavina ve ny fitondrana sahy nanova ny tantaram-pirenena tamin’ny alalan’ny fanovana ny endrik’ireo vakoka toy ny tohatobaton’Analakely sy Ambondrona na ny fambolena “Colisée” anaty rova Na ny vokatry ny fanontaniana apetraka eto amin’ity firenena ity aza amin’izao fotoana izao manahirana ny miheritreritra ny mety ho vokany nefa tany demokratika, hono eto. Betsaka no tokony ianarana eto amin’ity firenena ity ankoatran’ny filalaovana serasera sy lalana rehefa tena dinihina satria dia mpitondra sy mpanao politika nifanenjana sy tsy nisy nanan-tanjona hampandroso firenena aloha hatreto no taratra. Mila mianatra manakatra hetahetam-bahoaka sy ny mahazo ny manodidina. Io moa ilay antsoin’ny frantsay hoe “empathie”. Mianatra mandini-tena sy mihaino ny hafa. Mila mianatra fa tsy ny fahazoana fitondrana akory no maha tapi-pahaizana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT