Anio zoma no hivory ary handinika ny raharaha Madagasikara ny SADC. Hisy ny fanaovana tombana ny fanatanterahana ny tondrozotra.
Fantatra ihany koa izao fa tsy maintsy horesahana ao ny fanesorana tamin’ny toerany ny minisitry ny tontolo iainana Randriamiandrisoa Joseph, izay niteraka resabe tokoa moa tato anatin’ny herinandro izao. Etsy ankilan’izay dia miha mafy hatrany ny tsindry avy amin’ny ankolafy Zafy Albert momba ny tsy maintsy hamoahana ny marina amin’ny trafika andramena eto amintsika. Nisy ny taratasy fitoriana napetra’ity ankolafy ity teny amin’ny fitsarana, saingy raha ny vaovao omaly dia tahaka ny hoe : tsy hita io dosie io. Ny teny amin’ny fitsarana Anosy nilaza fa any amin’ny minisiteran’ny fitsarana Faravohitra izy io, satria nanambara ny ministera fa tsy azo raisina, ary tsy misy tohiny io fitoriana io. Raha tonga teny Faravohitra anefa omaly ny avy amin’ny ankolafy zafy dia nilaza ny tao amin’ny ministeran’ny fitsarana fa tsy eny io dosie io. Ny ankolafy Ravalomanana ihany koa dia manamafy fa maro ny zavatra tsy mety ao anatin’ny fitantanana ny tetezamita. Mbola hita taratra ny fanapahan-kevitr’ankolafy tokana.
Tsy manaiky ny fandaniana ilay lalàna momba ny famotsoran-keloka moa izy ireo. Raha ny tena marina izany dia tokony misy fandaminana lehibe ataon’ny SADC satria be loatra ireo olana etsy sy eroa ka mampitarazoka ny fandrosoan’ny famahana ny krizy, ary raha tsy voavaha haingana ireo olana ireo dia ahiana mihitsy ny haharava tanteraka ny tondrozotra satria ny ankolafy Ravalomanana dia efa nandrangaranga fa hiala tanteraka ao anatin’ny tetezamita izy ireo, raha toa ka tsy mahazo valin-teny mahafa-po. Ka raha izay no izy dia tsy fiaraha-mitantana intsony no misy eto, fa dia miverina amin’ny fitantanan’ankolafy tokana, satria ankoatra ny TGV sy ny UDR-C izay manohana ny filohan’ny tetezamita, dia mpisolelaka sy mila ranondranony avokoa ny ankamaroan’ireo vondrona politika hafa ao anaty tetezamita ao, ka azo antoka fa hanaiky izay tian’i Andry Rajoelina hatao. Tena manan-danja, araka izany, izay hambaran’ny SADC eo, ary miankina amin’izay ny hahatsara na haharatsy ny tohin’ny tantara. Raha toa moa ka manafosafo fotsiny ny zava-misy ny SADC dia hisavorovoro ny eto, raha ohatra kosa ka misy ny fanapahan-kevitra hentitra raisina dia azo eritreretina ihany ny hampilamina sy hampitony. Tena ilaina ny fanelanelanana satria hita fa mbola sarotra ny hivoahan’ny marimaritra iraisana moramora, avy amin’ireo mpanao politika eto amintsika.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.