Actualités

Zotran-dalamby Fianarantsoa - Cote Est Mbola ianteheran’ny Malagasy an-tapitrisany


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2011

«Efa ela nitaterana no sady mbola hianteherana’’. Io no lohahevitra entina ankalazana izao faha-75 taona nijoroan’ny zotran-dalamby mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara amin’ity taona 2011 ity.

 Ny 04, 05, 06 aogositra teo no nifamotoana tao amin’ny renivohitry ny Faritra Vatovavy Fitovinany ny fianakavimben’ity zotran-dalamby ity. Nivoitra tamin’izany fa mbola ianteheran’ny Malagasy an-tapitrisany ity lalamby Fianarantsoa – Manakara ity noho izy mamaha fahasahiranan’ny sokajin’olona maro na eo amin’ny ara-tsosialy na ara-toekarena. Tsy hay tanisaina tokoa mantsy ny olana ateraky ny fahatapahan’ity lalamby iray ity araka ny nambaran’ny Lehiben’ny Faritra Vatovavy Fitovinany, Rakamisilahy Martial ka mahatonga ny avy ao amin’ny Faritra manentana hatrany ny taranaka aty aoriana mba hahay hikajy azy io. Ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita Andriatsizehena Benja Urbain kosa dia nitaky ny hampitomboana ny tetibola hoentina hikojakojana ity lalamby Fianarantsoa – Manakara ity. Ny Talen’ny kabinetran’ny ministeran’ny fitaterana no nitatitra fa hatomboka ny asa fanamboarana sy fanatsarana ny gara lamasinina ao Fianarantsoa sy Manakara, ka hivoaka amin’ity volana aogositra ity ny tolobidy momba izany.

Nisy fampirantiana tamin’ny alalan’ny tranoheva io telo andro io natao nanoloana ny Gara tao Manakara nentina nampahafantarana ny zotra FCE sy ny tantarany, teo ihany koa ny fanentanana nataon’ireo mpiara-miombon’antoka mba hikajiana ity lova navelan’ireo razambe ity. Marihina fa ny tavy no fahavalon’ity lalamby FCE ity voalohany ary mampitondra fahisana azy rehefa tonga ny fotoanan’ny rotsak’orana. Anjaran’ny tanànan’i Sahasinaka indray no hampiantrano ny lanonam-pankalazana amin’ny alakamisy 11 aogositra ho avy izao, Sahasinaka izay anisan’ireo gara lehibe ao anatin’ny distrikan’i Manakara amin’ity zotran-dalamby ity.

 

Sary : Gare FCS ao Manakara

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT