Sendra ny nahay azy ireo fiara mpitatitra mampitohy an’Antananarivo Antsirabe. Miavaka amin’ny zotra rehetra mantsy izy ireo noho ny tsy fisian’ny saran-dalana raikitra fa miankina amin’ny mpamily sy ny vanim-potoana. Amin’ny fotoana maha lafo ny saran-dalana mihitsy izao satria famonjen’i Vakinankaratra ny famadihan-drazana. Nifampitadiavana ny fiara mpitatitra ny alahady teo na ny miakatra na ny midina Antsirabe Antananarivo satria ankoatra io antony voalaza io dia nandray hetsika 3 goavana ny renivohitr’i Vakinankaratra dia ny “festival Mamahoaka” sy ny “zaikaben’ny vehivavy Loterana” ary koa ny “braderie”. Be ny mpandeha ka nampakatra ny saran-dalana araka izay maha diavolana ny sainy ireo mpitatitra. Efa hatrany amin’ny 12 000 Ariary ny olona iray. Nandray ny andraikiny ny zandary mpisakan-dalana ka nandroaka ny taratasin’ny fiara rehetra nanararaotra diso tafahoatra. Nahafeno 1 sobika ny taratasim-piara voaangona tamin’io. Natao bizina indray koa ireto taratasy ireto sa tena nampihatra ny lalàna hatramin’ny farany ireo zandary ?
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.