Tsy mbola voahaja ny zon’ny olona manana fahasembanana eto amintsika, indrindra fa ny lafiny arak’asa.
12 monja tamin’ireo orinasa miisa 50 nanaovana fanadihadiana momba ny fandraisany ireo olona manana fahasembanana ihany mantsy no namaly ny fanontaniana napetraka taminy raha nanda tsy nety namaly mihitsy ny 5. Nisongadina izany nandritra ny fampahafantarana ilay fanadihadiana notanterahin-dRafitoson Ketakandriana mikasika ny zon’olona manana fahasembanana eto amintsika niaraka tamin’ny fikambanana AFHAM AFHAM ( Association des femmes handicapés de Madagascar) tarihin-dRazafinjato Fela. Midika izany, hoy izy, fa tsy voahaja mihitsy ny zon’ny olona manana fahasembanana tokony hiasa amina orinasa raha ny eto an-drenivohitra manokana. Misandrahaka amina lafin-javatra maro moa ity fanadihadiana ity hahafahana mijery akaiky ny zon’ireo olona manana fahasembanana eto amintsika. Na izany aza dia nomarihin-dRazafinjato Fela fa miezaka hatrany izy manampy ireo olona manana fahasembanana eto amintsika, indrindra fa ny vehivavy. Betsaka ireo nahita vady tato anatin’ny fikambanana, betsaka ihany koa efa nahatsangana trano, hoy izy. Nanokatra tranon-kalam-pifandraisana vaovao hahafahany mifandray amin’ny rehetra sy mampahafatra ny fiainan’ny fikambanana ny AFHAM.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.