Nanasonia ny Fifanarahana iraisampirenena momba ny zon’ny ankizy i Madagasikara ny 19 aprily 1990. Nankatoa sy niezaka nampihatra izany kosa ny 19 martsa 1991
. Tsy mbola misitraka feno ny zony anefa ny zaza Malagasy 25 taona aty aoriana. Manaporofo izany ireo antontanisa samihafa farany nivoaka. Mahazo ny 14%n’ireo zazavavy Malagasy 15 hatramin’ny 19 taona ny herisetram-pananahana. Manambady na manao tokantrano maso mialohan’ny 18 taona ny 50%n’ny tovovavy Malagasy. Mitondra vohoka tsy niriana ny ankizy vavy Malagasy 1 amin’ny 3. Miasa ny 30%n’ny ankizy Malagasy 5 hatramin’ny 14 taona. Mitady vola no sady mianatra any an-tsekoly ny12%n’ny ankizy eto Madagasikara. Voan’ny tsy fanjariantsakafo mitarazoka ihany koa ny 47,3%n’ny kilonga malagasy latsaky ny 5 taona, indrindra ireo avy amin’ny fianakaviana sahirana. Hampihetsika indray ireo tambazotra fiarovana ny ankizy moa ny minisiteran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampiroboroboana ny vehivavy ho fiatrehana ireo tranga mampalahelo samihafa ireo ao anatin’ity volana jiona 2016 natokana ho an’ny ankizy ity. Lohahevitry ny fankalazana moa ny hoe «Arovako ny zanako ho avin’ny Fireneko».
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.