“Zokiolona : Ainga vao ho an’ny fampandrosoana”. Izay no lohahevitra noraisina nankalazana ny andro eran-tany ho an’ny zokiolona omaly.
Tsy nanadino izany ny tao Toamasina, lanonana natao tao amin’ny trano kintan’ny Talem-paritry ny mponina. Nanamarika Rtoa Razafindratombo Ravololonirina Emelie filoham-boninahitry ny zokiolona ao Toamasina, fa “maro ny tetikasa atokana ho an’ny reny sy ny zaza, fa tsy misy kosa izany ho an’ny zokiolona ka mahatsapa ho viahilika sy tsy hita izy ireo rehefa osa sy reraka”. Mahavita anefa ny zokiolona raha ampanaovina, satria anisan’ny mpanara-maso ny fifidianana ho avy izao ireo zokiolona ao anaty fikambanana ao Toamasina. Teto an-drenivohitra indray dia zokiolona iray efa feno 90 taona no nijoro vavolombelona, fa mbola mikarama mantsaka rano sy manasa lamban’olona izy ary mbola mitsindroka sy mangataka tapa-mofo eny amin’ny Karana koa. Raha ny fitambaran’ny feo heno teny amin’ny Espace Adama Anosizato nanaovana ny hetsika omaly nokarakain’ny Hafari Malagasy dia saika nihondinkodina tamin’ny resaka fanilikilihan’ny fiarahamonina azy ireo hatrany no ambetin-dresak’ireo zokiolona nandray fitenenana. Nampiantrano zokiolona niisa 500 ny Hafari Malagasy. Tsy nanasa manampahefana sy mpanao politika izahay, hoy Atoa Jean Nirina, noho ny fahatsapanay fa tsy misy mijery ny sosialim-bahoaka izy ireo. Tonga nanome voninahitra kosa anefa ny avy amin’ny fikambanana mahaleo tena sy ny fiarahamonim-pirenena maro.
Rakoutou sy Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.