Zokiolona Ambatondrazaka

> Vonona hitondra tolo-kevitra amin’ny fampandrosoana


  • Sabotsy 12 Oktobra 2013

Nivoitra nandritra ny fanamarihana ny andro eran-tany ho an’ny zokiolona tany Ambatondrazaka ny alakamisy 10 septambra teo fa singa iray entina mampandroso an’Alaotra ny zokiolona.

Izany dia mifanandrify raha teo amin’ny lohahevitra iraisam-pirenena, zokiolona ainga vao ho amin’ny fampandrosoana. Manana ny hevitra tsara hafahana mampandroso ny faritra sy ny firenena ny zokiolona ka tsy tokony hatao anjorombala. Miisa telo ny fikambanana hivondronan’ny zokioolona any Ambatondrazaaka. Samy mitondra ny anjara birikiny izy ireo amin’ny fampandrosoana ny faritra Alaotra. Mendrika hohajaina sy hankatoavina ny hevitra omen’ny zokiolona ka hohalavirina ny toe-tsaina tia manilikilika azy ireny. Raha nandray fitenenana ny lehibe ny faritra Alaotra Mangoro dia nanantitrantitra fa ray aman-dreny hitoeran’ny fahendrena sy ny hevitra tsara amin’ny fampandrosoana ny zokiolona, ka mendrika omena ny toerana sahaza azy eo anivon’ny fiarahamonina. Nanome toky ireo zokiolona Ambatondrazaka fa hiaraka hisalahy amin’ny fiadidiana ny faritra eo amin’ny lafiny fampandrosoana.

                                                                                                                              Niry A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT