Actualités

Zimbaboe Nilaza sahady fa nandresy tamin’ny fifidianana ny antokon’i Robert Mugabe


  • Sabotsy 03 Aogositra 2013

Na dia teo aza ny fampitandreman’ny polisy fa hiharan’ny sazy henjana izay olona na antoko politika milaza mialoha ny vaomieram-pifidianana ny ho voka-pifidianana ho filoham-pirenena dia nilaza sahady ny mpitondra tenin’ny antoko misy an’i Robert Mugabe fa ny kandidany no lany any amin’ny 70 ka hatramin’ny 75%.

Ny voka-pifidianana solombavambahoaka no navoakan’ny vaomieram-pifidianana mialoha ka saika ny Zanu PF, antokon’i Mugabe, avokoa no mitana ny lohalaharana amin’reo fari-piadidiam-pifidianana. Etsy andanin’izay dia nanambara i Morgan Tsvangirai fa foana ary tsy manan-kery iny fifidianana iny. Efa hatry ny ela no napetrapetraky ny fitondrana manerana an’i Zimbaboe ireo mpitandro ny filaminana hijery manokana, hanakana izay hetsika an-dalambe tadiavin’ny mpomba an’i Tsvangiray hatao. Ireo mpanara-masom-pifidianana moa dia nilaza fa nizotra tamim-pilaminana ary tao anaty fahalalahana, mangarahara ary azo antoka ny fifidianana kanefa mametraka fanontaniana ihany ny amin’ny fanisam-bato. Voamariky ny vondrona mpanara-maso avy amin’ny Vondrona Afrikanina fa ny 37%-n’ireo vato fanampiny no voatonta ary betsaka ireo mpifidy tokony hifidy no tsy afaka nifidy satria nanjavona tao anaty lisitra ny anaran’izy ireo. Nahatsikaritra izany ihany koa ireo mpanao gazety vahiny vitsy dia vitsy afaka nanatrika ny fizotr’ity fifidianana ity. Vitsy manko ireo nahazo alalana ary dia voaroaka na voasambotra avy hatrany izay tsy nanana fahazoan-dalana.

ANA

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT