Hanamarika ity andro alarobia 31 jolay ity ny fifidianana filoham-pirenena miaraka amin’ny solombavambahoaka tanterahina any Zimbaboe. Mpifidy miisa 6,4 tapitrisa no andrasana handatsa-bato. Kandida ny filoha am-perinasa, efa 33 taona nitondrana, Robert Mugabe, izay hifaninana amin’ny praiminisitra am-perinasa Morgan Tsvangirai. Efa nifaninana izy ireo tamin’ny 2002 sy 2008. Marihina fa iray amin’ireo firenena telo eo anivon’ny Vondrona SADC miaina krizy i Zimbaboe.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.