Actualités

Zazavavy kely voaolana Tsy afaka mivalan-drano ara-dalàna intsony


  • Alarobia 20 Janoary 2021

Ratsy ny fiantraikan’ny herisetra ara-nofo toy ny fanolanana na ara-tsaina na ara-batana.

 

 

 

 

Zazavavy kely iray vao 8 taona monja no niharan’izany 2 taona lasa izany tany Farafoday. Mbola misy fiantraikany amin’ity zazavavy kely ity hatrany anefa izany. Raha araka ny fitarainan-dreniny mantsy dia tsy afaka mivalan-drano ara-dalàna toy ny zazavavy rehetra ilay menaky ny ainy. Amin’ny alalan’ny “sonde” tokana ihany sisa no hahafahany manao izany izay tena marary sy manaintaina azy mafy tokoa.Manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly Philibert Tsiranana ao Faradofay moa ity zazavavy kely ity ankehitriny. ny tenany amin’izao saingy tena sahirana amin’ny fikarakarana azy ny reniny. Raha tsiahivina kely moa ny tantara dia ankizy tsy ampy taona roa no nanararaotra ity zazavavy kely ity raha handeha hamonjy fodiana izy, taorian’ny niarahany nilalao tamin’ny namany. Efa notsaboina izy nandritra izany saingy mbola niverina indray ilay soritr’aretina, 2 taona aty aoriana no sady mbola niitatra ihany koa. Mangataka fanampiana amin’ireo malala-tanana sy tsara sitrapo araka izany ny renin’ity zazavavy kely ity hahafahany manohy ny fitsaboana an-janany eto an-drenivohitra.

Pati

 Legende : Ilay zazavavy kely voaolana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT