Actualités

Zazavavikely 19 voaolana Vazaha 4 any am-ponja, 11 karohina mafy


  • Alatsinainy 30 Novambra 2020

Miisa 16 ireo teratany vahiny voarohirohy tamina fanolanana zazavavikely 7-14 taona tany Toliara.

 

 

Efa 19 ireo zaza voalaza fa niharan’izany fanolanana sy fananararaotana ara-nofo izany. Ny 04 tamin’ireo vazaha 16 ireo no efa voasambotra sy efa nadomboka any am-ponja vonjimaika, 01 eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana na “sous-contrôle judiciaire”, ary 10 no karohina, raha ny vaovao avy any an-toerana. Ny 7 novambra teo no nisy tovovavy 14 taona tonga nitaraina tany amin’ny mpiaro ny zon’ny ankizy. Efa tany amin’ny faha-11 taonany no no nanaovana fanararaotana ara-nofo izy io, notambazana bisokoy sy nasaina nakany amin’ny hotely. Vehivavy Malagasy no mitondra azy ireo any amin’ny Hotely, ary misy lehilahy iray namany, izay voalaza ihany koa fa efa nidoboka. . 25000Ar hatramin’ny 30000Ar ny voalaza fa hanambazana ireo ankizikely, ary tsy vitan’ny fanolanana fa ampiarahana amin’ny fanaovana horonan-tsary mamoafady, raha ny fanazavan-dRandrianasolo Haingo avy amin’ny Fikambanana mpiaro ny ankizy.

 “AZA HAVELA HITPORITSAKA, SAMBORY,…”

 Tsy vao indray mandeha, fa efa matetika no hisian’ny fanolanana. Maro amin’ny ray aman-dreny no tsy an’asa, ka miteraka fahavoazana. Voafitak’ireo vazaha mody manao tolotolotra. Ny manahirana sy mila jerena, dia efa matetika mpiseho any amoron-tsiraka ny tahaka izany. Nangatahana famoahana didy tsy fahafahana mivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara na IST sy fisamborana mihitsy ireo Fikambanana mpiaro ny zon’ny ankizy, toy ny Centre Vonjy. Andro maromaro lasa izay, nisy ny fidinana ifotony nataon’ny Masoivoho Frantsay tany an-toerana. Nandeha ny feo fa nanao fanelanelanana momba ny fisiana teratany vahiny voasaringotra. Nisy kosa ny fandisoana izany, ary voalaza fa esaka dinika sy fifampiraharahana ara-toekarena no anton-dian’ireo. Asa aloha na ho voasambotra ireo vazaha 10 karohina na ho vitavita ho azy sy hiporitsaka mora foana ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT