Tsy fantatra, raha araka ny loharanom-baovao voaray, izay reny nahavonona ny loza. Nahitana zazarano iray nariana’olon-tsy fantatra indray tany Toliara afak’omaly.
Raha araka ny loharanom-baovao hatrany dia nariana tamina lobolobo iray tsy lavitra ny arabe ny razana ary notaritarihin’ny alika ka nisy nahita. Raha ny tomban’ireo nanatri-maso ity zava-doza mahonena ity dia dimy volana an-kibo nalana izy io ary nariana teo avy eo, satria efa feno avokoa ny rantsana mandrakotra ny vatany. Nampandre ny tompon’andraikitra avy hatrany ny teo an-tanana ary nisy andian’olona nandevina ilay zaza menavava tsy manan-tsiny avy eo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.