Zazafotsy Ihosy

> Vehivavy iray tratra nitondra rongony 1500kg


  • Talata 17 Septambra 2013


Nanao bemidina tany amin’ny Kaominina Zazafotsy, Distrikan’i Ihosy omaly ny polisy avy amin’ny sampana miady avy amin’ny zavamahadomelina nampian’ireo namany avy ao Ihosy taorian’ny fahazoam-baovao fa misy olona mikasa hitondra rongony miakatra aty an-drenivohitra ao an-toerana. Tonga ara-potoana ny ekipa ka sarona tamin’izany ny rongony miisa 71 gony milanja iray taonina sy tapany. Nisy ramatoa iray voasambotra niaraka tamin’ny entana. Avy any amin’ny Distrikan’i Betroka iny ireto rongony ireto, ary amidy iray hetsy Ariary ny kilao rehefa tonga aty Antananarivo. Nodorana manontolo omaly ihany teny amin’ny sisin’ny garan’ny raopilanina ireo rongony tratra ireo. Mitohy kosa ny famotorana atao amin’ilay ramatoa mialoha ny hanolorana azy ny fitsarana ao Ihosy.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT