Nalefa ao amin'ny hopitaly Ihosy ilay zaza varira nisy naka voamaso tany Benato Toby, raha ny fampitam-baovaon’ny depiote voafidy tao Betroka, Nicolas Randrianasolo.
Ho tarafina Radio ny masony ahafahana mahalala ny hanohizana ny fitsaboana azy izay hatao ao amin'ny hopitaly Betroka ihany, hoy ity depiote ity nisaorana ny minisitrin'ny mponina sy ny Unicef nanampy tamin'ny fandraisana an-tanana tamin'ny fitsaboana ilay zaza. Efa nanao izay tratrako aho ary hanampy ilay zaza amin'ny fikarakarana azy ho fiahiana azy amin'ny fiainany. Fantany avokoa, araka ny nambarany tamiko, ireo olona nahavita nanao ny habibiana taminy. Efa mandray an-tanana ny fikarohana ireo nahavanin-doza ny mpitandron'ny filaminana eto Betroka, hoy hatrany ity depiote ity. Mampametra-panontaniana, etsy ankilan’izay, hoe ka na fantany aza izany moa ireo nahavanon-doza, ahoana no ahafahany manondro azy ireo noho ity tsy fisian’ny masony intsony ity ?
J. Mirija
Legende: Ny depioten’i Betroka sy ilay zaza
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.