Actualités

Zaza nitsoaka avy any Fianarantsoa Hita nitolefiky ny hanoanana tetsy Anosizato


  • Zoma 19 Jolay 2013

Zazalahy kely 13 taona omaly no tazan’ny olona nitolefika tsy tafatsangana teo amin’ny tetezan’Anosizato ka niantsoan’ny mponina sy mpandalo mpamonjy voina nitondra azy nankeny amin’ny hopitaly Befelatanana.

Raha ny fanadihadiana azo dia fantatra fa nitsoaka avy any Ambovombe Fianarantsoa tany ity zazalahy ity noho ny olana ara-tokantrano niainany ka reraky ny dia sy ny hanoanana no nampitolefika azy. Avy hatrany dia nasian’ny mpitsabo «sérum» i Tsilavina kely, fa izany no anarany, mba hamerina haingana ny ainy. Tena hita taratra eo amin’ny endriny avy hatrany ny adin-tsaina mahazo azy, hoy ny dokotera nandray an-tanana ny fitsaboana. Hatolotra avy hatrany ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona moa ity zazalahy ity raha vao vita ny fitsaboana ataon’ny eny amin’ny hopitaly aminy. Ny “Assistance sociale” eo anivon’ny hopitaly Befelatanana moa no nanome ny fanafody sy ny sakafo ho an’i Tsilavina fa ny fikarakarana ny resaka lalàna sy ny fitadiavana ireo ray aman-dreniny kosa dia noraisin’ny Hafari Malagasy ho andraikitra manokana, araka ny fanamarihan’ny filohany, Rafanomezantsoa Jean Nirina izay nampita ny vaovao.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT