Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar amin’ny fanampiana ireo niangaran’ny vintana eto amintsika ao anatin’ilay tetikasa fandraisan’andraikitry ny orinasa amin’ny lafiny ara-tsosialy ( RSE).
Ireo ankizy narian’ny fianakaviany, tezaina sy beazina ao amin’ny ivontoerana Sainte Jeanne d’Arc Mangarivotra Mahajanga indray no nahazo tombontsoa tamin’ny herinandro teo, lanonana notarihin’ny tale jeneralin’ny Airtel Maixent Bekangba. Ankizy miisa 50 no notolorana ody vavony feno sy miavaka niaraka tamin’ny kapa tsirairay avy. Nofidian’ity orinasam-pifandraisana iray ity manokana ny toby Sainte Jeanne d’Arc noho ny fahafantarany ny ezaka nataon’izy ireo amin’ny fandraisana ireo ankizy tena sahirana, miampy ireo zatovovavy iharan’ny olana manokana any Mahajanga. Mbola hitohy hatrany ny ezaka. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ireo zaza kamboty izany fanampiana sy fanohanana azy ireo izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.