Actualités

Zava-nisy tamin’ny 1947 Fitantarana avy amin’ny tanora


  • Talata 02 Aprily 2013

Fijoroana vavolombelona hafakely, tsy toy ny mahazatra avy amin’ireo voalaza fa Bekotro maroholatra ity taterina aminao an-gazety ity avy amin’ny fandalovan’ny iraka manokan’ny Tia Tanindrazana tany Amboasary Gara anelanelan’i Moramanga sy Ambato.

 Avy amin’ny fitantarana nataon’Itompokolahy dada Raobelina Justin sy Itompokovavy mama Razanadrasoa ray sy reny niteraka anay no mba zaraiko aminareo, hoy Atoa Randriamalaza Alfred lefitry ny Ben’ny tanànan’ity Kaominina voalaza ity. Mbola tsy teraka velively mihitsy moa ny tena tamin’izany vaninandro izany, hoy izy, fa raha ny fitantaran’ireo ray aman-dreninay ireo dia tena zava-doza mihitsy ny zava-niseho tamin’ny fotoanandrony. I Dada, hoy izy, dia saika maty natao “au Poteau” notifirina noho ny tondromolotra natao tamin’ny nilazana fa “rebelle” izy raha nafangaro tamin’ny anarany hoe Raobelina io resaka io. Soa ihany, hoy izy, fa ny vazaha nampiasa azy tao amin’ny gara (telephoniste izy) no nanakana ny tsy hitifirana azy (fa izy aloha dia kilasin’ireo avara-pi nohenjehana tamin’izany).

Maty vokatry ny fahenoana ny saika nanjo azy moa ny vadiny voalohany talohan’i Mama, hoy Atoa Alfred. I Mama Razanadrasoa indray tamin’io fotoana io dia bevohoka be efa ho teraka ka nandadilady nikisakisaka mihitsy   nanaraka ny olona nitsoaka niafina. Noho ny vadiny voalohany talohan’i Dada “Chef de canton” anefa dia nahita lalana nandefasana azy tamin’ny lamasinina nankany Ambatondrazaka ry zareo nefa tsy tonga tany izy fa teraka teny an-tenatenan-dalana ka navoakan’ny vazaha tao anaty Wagon.

Am-bolana nipetrahana an-tanin’olona i Mama vao tafaverina teto Amboasary nefa dia matin’aretina noho ny trangam-piainana nolalovana ny vadiny. Ry Dada koa dia am-bolana maro vao nivoaka avy amin’ny niafenany tany ka sahy niakatra an-tanàna. Mora am-piresahana izany fa nampiotam-po azy mivady rehefa nitantara taminay izy taty aoriana ary i Mama aza dia latsa-dranomaso foana rehefa misy fotoana hamerenany izany. Teniny mandrakariva aminay ny hoe : “aza misy intsony re ry anaka ny tahaka ireny fa tena zava-doza tanteraka. Mivavaha mba tsy hiverina amin’ny Malagasy intsony izany”.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT