Actualités

Zava-misy Tsy mitsahatra mividy 4x4 ingahy Lehiben’ny Faritra


  • Alakamisy 24 Febroary 2011


Fiara tsy mataho-dalana na 4x4 vaovao miisa roa no novidiany tao anatin’ny herintaona. Fiara avo karazana, iray sokajy amin’ireny “Hummer” ireny avokoa izy ireto. Lehiben’ny Faritra iray ao anatin’ny Faritanin’i Toliara no tompon’izany. Mahavaky vava ny mponina ao aminy ny fahitana ireto fiara ireto. Zon’ingahy Lehiben’ny Faritra tanteraka ny hanana fiara, hoy ny resaka avy any an-toerana, saingy mampieritreritra kosa raha fiara amina miliara no voavidy anatin’ny taona iray.

Mahavaka ny saina koa ny mahita ny mpitondra miatranatrana amin’ny fiara tsara tarehy nefa tsy mitsahatra mikoroso ny fotodrafitrasa ao anatin’ny fari-piadidiany, ary manampy trotraka izany tsy fahitana izay fampiasam-bola mazava ataon’ny Faritra, nefa faritra anisan’ny mahazo tamberim-bidy betsaka tokoa izy io. Mampametra-panontaniana mantsy hoe fa mandray karama ohatrinona marina ny lehiben’ny Faritra iray dia ampitomboy 20 volana, naharetan’ny nitondrany ilay Faritra ? Mety tsy hitovy velively amin’ny vidin’ny iray amin’ilay fiara akory io mari-karama io.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT