Efa mihitatra mihitsy ny fomba fanaparitahan’ireo tsy mataho-tody ny zava-mahadomelina amin’izao. Malaza be indray ny space cake mofo misy rongony ka ireo mpianatra no tena kendrena hanjifa izany.
Tompon'andraikitry sekoly iray no nampandre ny mpitandro filaminana fa misy manao opération space cake ao amin’ny faritra hiadidiany. Hamidin'ireo mpianatra 5 000 ar ny iray amin’izany raha 20 000 ariary kosa no hakany ny 10 any amin'ny tompony izay marihina fa tena miketrika ary havanana amin’ity asa ratsy ity tokoa. Ireo mpianatra araka izany no tena manjifa ity mofo misy rongony ity. Raha araka ny loharanom-baovao azo hatrany dia fanina ary mahatsiaro ny vavany ho mangidy be ireo izay mihinana ity mofo ity. Fanina ihany koa toy ny avy nisotro toaka ary tena sahirana vao mahazo aina. Efa natolotra ny fampanoavana moa ireo mpianatra 2 tsy ampy taona nanaparitaka izany tao amin’ity sekoly iray ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao no paozin’ilay mofo misy rongony
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.