Zazalahy kely iray vao 9 taona monja no fantatra fa nanjavona rehefa nilalao teo an-tokontany tany Toamasina.
03 andro taorian’izay vao hita izy saingy efa ny vatana mangatsiakany ihany koa sisa no hita tao amin'ny nosy Îles aux prunes, miala 17 km avy amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina. Fantatra tamin'ny fizahana natao tamin’ny razana fa novonoina tamin'ny fomba feno habibina ity zazalahy kely ity. Nahitana dian'antsy mantsy ny vatany iray manontolo. Nesorina ihany koa ny sofiny havanana. Tsy hita ihany koa ny masony sy ny lelany ary mahalehilahy azy. Ny olatra teo amin'ny tongony sy ny "bracelet" tamin'ny tanana sisa no nahafantarana azy. Tsy mbola manana olona ahiahiana aloha hatreto ny fianakaviany. Na izany aza efa manomboka fanadihadiana kosa ireo mpitandro ny filaminana. Tsiahivina moa fa nalaza ratsy ho misy olona mpangalatra taova ao Toamasina tato ho ato, antony mampatahotra ireo vahiny hivahiny any an-toerana.
Pati
Legende : Ity ilay tovolahy kely
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.