Ny alatsinainy 29 aogositra 2021 tokony ho tamin'ny 10 ora maraina no nisy nahita nipetraka teny amin'ny faritra Tsararivotra Fokontany Ambodisatrana 2 ny lohan-jazakely iray izay nampiahiahy ny fomba nanalana ny ainy.
Ny tapa-dohany sisa no hita mantsy raha araka ny vaovao azo. Ny fantatra hoy ny sefo sektera ao Tsararivotra izay niavian’io zaza tsy manan-tsiny io sy ny antony namoana azy. Zaza efa notezaina amam- bolana izy io fa tsy zaza nohesorina akory. Mbola tadiavina kosa ilay nahavita ka sahy nanapa- doha tamin'ny fomba feno habibiana tahaka izao. Efa tonga tany an-toerana moa ny mpitandro ny filaminana sy ny mpiasan'ny fahasalamana nijery ny zava-nisy.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.