Actualités

Zava-doza tany Sambava Enin-dahy nametaveta sy namono tovovavy 15 taona


  • Zoma 04 Desambra 2020

Tratra ireo jiolahy 6 nanolana tamin'ny fomba feno habibiana tovovavy iray vao 15 taona monja antsoina hoe :

 

 

 

 Najurah monina ao Tanambao-Daoud, distrikan’i Sambava Faritra Sava. Ny alin'ny 29 Novambra hifoha 30 Novambra lasa teo no nitrangan’ity zava-doza ity. Ny marainan'ny 30 novambra no nisy nampandre ny zandary ao amin'ny Tobin-janam-paritra ao Anjangoveratra fa nisy nanolana i "Najurah".Tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpitandro ny filaminana tao an-toerana anefa dia efa namoy ny ainy i Najurah, niaraka tamin’ny rà mandriaka. Rehefa nozahan’ny mpitsabo tokoa ity zaza tsy manan-tsiny ity dia voaporofo fa voaolana tokoa. Tsy tratra tany an-toerana intsony anefa ireo olon-dratsy. Na izany aza noho ny ezaka nataon’ny zandary dia tovolahy miisa 4 ahiahiana no efa tratra ankehitriny. Rehefa nosavàna mantsy ny toeram-ponenan’izy ireo afak’omaly alarobia 02 desambra dia nahitàna sakaosy misy akanjom-behivavy feno ra tamin’ny tranon’ny ilay iray. Niaiky avy hatrany ny heloka vitany izy ireo ary mbola nilaza ihany koa fa misy namany miisa 2 mbola tsy eo, izay efa fantatra ny momba azy ka hatao haza-lambo. Nanambara moa ny Kolonely Kaomandin'ny Groupement any amin’ny faritra Sava fa tsy maintsy ho tratra ireo jiolahy roa mbola miriaria any anaty fiaraha-monina ireo. Miandrandra ny hisian’ny fiaraha-miasa eo amin'ireo mponina any an-toerana araka izany ny tenany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT