Zazavavy kely iray vao 7 taona monja antsoina hoe : Fanambinantsoa Christina no novonoina tamin’ny fomba feno habibiana dia naolana avy eo tany Amoron'Isaha Ambany Atsinanana,
distrikan’Ambositra ny faran’ny herinandro teo.Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nofatorana ny tongotra aman-tanan’ity zaza tsy manan-tsiny ity. Notampenana ihany koa ny vavany, ary nofaranan’ilay tsy mataho-tody tamin’ny fanolanana izany, antony namoizany ny ainy tanteraka. Raha araka ny fantatra moa dia zanak’olona tena sahirana Ratompokovavy kely. Noraisin’ny talen’ny kabinetran’ny governora sy ny Ben’ny tanàna any an-toerana an-tanana araka izany ny fikarakarana ny razana sy ny fanaterana izany tany amin’ny fianakaviany. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia nandeha irery ity zazavavy kely ity, antony nanamora ny asan’ireo mpanao ratsy. Andrasana izay mety ho vokatry ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana mikasika izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.