Actualités

Zaranaina Christian “Azo sakanana ny fiovaovan’ny valanaretina”


  • Alakamisy 29 Jolay 2021

Tsy mitsahatra miteny aho, hoy ny mpikaroka momba ny fitsaboana, Zaranaina Christian, fa efa mipetraka hatrany ny vahaolana mikasika ny valanaretina rehetra eto ambonin’ny tany na ho an’ny “hépatite virale”

io na Sida na Covid 19. Manana fankatoavana na “brevet” napetraka amina lohahevitra fanakanana valanaretina na “blocage de virus” isika, hoy izy. Ara-dalana sy iraisampirenena izany. Misy io tekinika noforoninay io hoe azo atao tsara ny manakana fitombona valanaretina na “mutation de virus”. Na valaretina inona io na inona. Misy zava-boahary avy eto Madagasikara izay tena azo ampiarahana amin’io tekinika io. Azo vongorona avokoa ny valanaretina rehetra fa tsy Coronavirus irery ihany. Teoria toy ny rehetra izy io. Misy ohatra izao ny teoria fampiasana “analogue structurelle”, izany hoe famandrihana ny “virus” mba ho fantatry ny singana hery fiarovana anatin’ny olombelona ny zavatra hahafahany miovaova. Azo avadika ho fanafody fihinana izany avy eo dia amin’izay fotoana izay ny hery fiarovan’ny olombelona ihany dia afaka mandresy ny fahafahan’ilay valanaretina miovaova. Ny fototry ny fanafody rehetra novokariko hatramin’izay izao dia io teoria io. Io no hitako voalohany izay aho vao nitady ny kasinga rehetra ilaina ahafahana mamadika azy ho fanafody amin’ny tenan’olona dia nitsaboana ireo karazana aretina toy izay efa voatanisa teo sy ity atrehintsika ity. Ny olana amin’ny fikarohana eto Madagasikara dia ilay fanafody no tadiavina nefa tsy tokony ho izay fa ilay fomba fiadina valanaretina mihitsy aloha no tokony tadiavina. Rehefa hita ireo “mecanisme” ireo dia mora ny mamorona teoria avy eo ahitana ilay fanefitra. Ilaina ny vakisiny hisorohana fa ilay aretina resy tanteraka no tena zava-dehibe, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT