Actualités

Zandary sy polisy Nifanaraka fa afaka mifampisambotra


  • Zoma 01 Aprily 2011

Nanomboka omaly dia nanao sonia fifanarahana ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny zandary sy polisy ato anatin’ny faritanin’Antananarivo fa afaka mifampisambotra. Teny amin’ny Mada Hotel 67ha no nanaovana ny sonia.

Nisongadina tamin’ity fifanarahana ity fa raha misy polisy voarohirohy amin’ny raharaha maloto dia afaka misambotra ny zandary. Afaka manao famotorana ihany koa izy. Tahaka izay ihany koa, raha misy polisy mahita zavatra tsy mety ataon’ny zandary na mahazo fitarainana amin’ny mety fandikan-dalàna ataon’ny zandary iray dia afaka misambotra ny polisy ary manao famotorana. Na ny andaniny na ny ankilany anefa raha misy izany dia tsy maintsy hatrehin’ny solontenan’ny tompon’andraikitra avy amin’ny polisy raha polisy ilay voarohirohy ary zandary raha zandary ilay voarohirohy ny famotorana.

Raha tsiahivina dia tsy afaka mifampisambotra ny roa tonta teo aloha fa raha misy aza izany dia tsy maintsy atolotra ny andaniny na ny ankilany ireo voarohirohy ka zandary na polisy mitovy aminy ihany no afaka manohy ilay famotorana. Voalaza ihany koa teny amin’ny 67 ha fa lany andro ny fifanarahana teo amin’ny zandary sy ny polisy teo aloha io satria efa tamin’ny taona 1969 no nanaovana azy. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe hanao ahoana izany ny zandary sy ny polisy ankoatra ireo miasa ato anatin’ny faritan’Antananarivo izay hany voakasik’ity fifanarahana ity. Ny jeneraly Ravalomanana Richard sy ny jeneraly Rakotondravonona Macaire lehiben’ny polisy rahateo no tena tompon-kevitra tamin’ity fifanarahana vaovao vita sonia omaly ity.

 
Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT