Actualités

Zandary sy ny Polisy Samy manana ny “bande des 12”-ny


  • Alarobia 06 Aprily 2011

Omaly dia nasehon’ny zandary ireo mpikambana ao amin’ny fikambanan-jiolahy mahery vaika «bande des 12».

Ny fahatrarana an’i Solo Paingotra, ny 26 martsa, iray amin’izy ireo no nitarika tamin’izao fahatrarana ireto jiolahy mahery vaika ireto. Nisy tamin’izy ireo no polisy sy miaramila. Tamin’ny taona 2006 no fantatra fa niforona ity «bande des 12» ity ka nandritra izay fotoana rehetra izay ka hatramin’ity herinandro nahatrarana azy ireo ity dia fanafihana mitam-basy miisa 26 no fantatra fa vitan’izy ireo aloha hatreto. Nahitana fatin’olona 5 sy faharatrana zandary iray tamin’ireo fanafihana ireo. Ny faritra Antananarivo Atsimondrano rehetra, Alasora ka hatrany Ivato sy Antanetibe no nataon’ireto jiolahy ireto nitondra faisana mihitsy. Izy ireo no nanafika ny tompon’ny tranombarotra Concept teny Ambohimangidy Ampitatafika. Izy ireo ihany koa no nanafika tao amin’ny toeram-ponenan’ny Tale jeneralin’ny Media Consulting teny Itaosy. Izy ireo ihany koa no voalaza fa nanafika tranona Maorisiana iray teny Antanetibe ka maty notsatotsatohan’izy ireo antsy ilay mpiambina. Izay ny «bande des 12» an’ny zandary.

Ny an’ny polisy kosa hatramin’izao dia ilay tovolahy tratra teny amin’ny Cité Itaosy volana vitsy lasa izay ary maty tao amin’ny violon no fantatra hatreto fa «bande des 12». Nilaza ny tale jeneralin’ny polisy tamin’izany fotoana fa niaiky ho anisan’ireo «bande des 12» ity tovolahy maty tao amin’ny «violon» ity ary voarakitr’izy ireo an-tsoratra izany toy ny hoe izy dia anisan’ireo nanafika ny Tale jeneralin’ny Media Consulting. Omaly kosa anefa raha nanontaniana ny zandary nisambotra ireto «bande des 12» ireto dia nilaza fa tsy mbola mahita izay ifandraisan’ilay tovolahy maty tao amin’ny polisin’Itaosy sy ireto voasambotra ireto. Tokony hisy ny famotorana mikasika ity raharaha ity fa tsy ho sanatria matimaty foana ny olona. Mety ho samy manana ny «bande des 12»-ny ihany koa anefa ny polisy sy ny zandary na dia samy eny Itaosy aza.

 
Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT