Actualités

Zandary nampangaina ho nanao kolikoly Ny Bianco no voatondro ho mpamandrika olona


  • Zoma 26 Aogositra 2011

Omaly alakamisy no niakatra fitsarana ady heloka tsotra tao Toamasina, ilay raharaha nanenjehan’ny Bianco zandary iray miasa eo anivon’ny borigadin’ny zandary mpanao famotorana, ho nanao kolikoly sy naka vola mitentina 700.000 ariary tamin’olon-tsotra.

 Taorian’ny fitsarana, izay tsy naharitra 30 minitra akory nifandaharan’ny fampanoavana sy ny mpisolovava ilay zandary, dia fahafahana noho ny fisalasalana tamin’ireo heloka roa nanenjehana azy no didy nambaran’ny mpitsara. Nandritra ny fitsarana dia voatondron’ny fampanoavana ho mpamandrika olona mba hahazoana vokatra ho azy ny Bianco Toamasina ary mbola voatondro molotra ho mampirisika ny fanaovana kolikoly ihany koa amin’ny firaisan-tendro amin’ireo mpanao kolikoly amin’ny fanaovana vela-pandrika ataon’izy ireo miaraka. Lasa lavitra aza ny ahiahin’ny mpisolovava ilay zandary nilaza fa sao ny Bianco no mpanao kolikoly amin’ny famandrihana olona miaraka amin’ireo olona manatona azy mba hahazoana vokatra tsara ka hilazana fa miasa izy ireo. Ankoatra izay anefa dia fantatra fa dosie roa mahakasika vono olona no miandry ilay mpitory an’ity zandary ity, eny amin’ny fitsarana amin’izao fotoana izao. Tokony ho nandeha omaly ny fitsarana azy ireo, saingy tsy nipoitra moa izy ka dia hahemotra anio.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT