Actualités

Zandarimariam-pirenena Voasambotra ireo saika hamono ny SEG


  • Alarobia 07 Jolay 2021

Lehilahy 6 saika hamono ny Sekreteram-panjakana¬ miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG), ny Jeneraly Ravalomanana Richard no voasambotry ny Vondrotobi-pileovan'-ny Zandarmariam-pirenena Analamanga

 sy ny Sampana misahana ny Fikarohan heloka be vava eo anivon'ny zandarmariam-pirenena talohan'ny fetim-pirenena, hoy ny pejim-baovao mirona amin’ny fanohanana ny Fitondrana Rajoelina omaly. Voalaza fa Mpiambina ny Filoha teo aloha ny 2 tamin’ireo niampy lehilahy 4 hafa. Raha ny loharanom-baovao marim-pototra dia mpiambina akaiky ny Filoha teo aloha, Hery Rajaonarimampianina ny 2 tamin'ireo olon-dratsy, hoy ny vaovao naparitaka. “Efa nahazo loharanom-baovao mialoha izy ireo. Efa niaraka tamin’ny basy voafahana, saingy saron’ny sakelika misahana ny fikarohana momba ny heloka bevava. Teny Androndrakely izy ireo no sarona niaraka tamina basy roa efa voafahana sy bala maromaro. Nogiazana ny fananany hatramin’ny kaonty any amin’ny banky mba hamantarana hoe misy olona mamatsy ara-bola azy ve?”, hoy ny mpitandro filaminana. Misy ny loharanom-baovao hafa milaza fa tompona orinasam- piambenana (societé de securité) no atidoha, ankoatra ireo ambara fa mpiambina ny Filoha teo aloha.

INONA NO TOMBOTSOA HAMONO NY SEG ?
Mampametra-panontaniana ity vaovao iray ity hoe: tena mitombina sa toe-javatra hoenti-mitarika ny sain’ny olom-pirenena hifantoka any amin’ny zavatra hafa eo anatrehan’ny toe-javatra mafana maneho ny tsy fahafehezana firenena miseho eto? Inona no mety ho tombotsoa ara-politika amin’ny fahafatesan’ny Jeneraly Ravalomanana raha tena mitombina io? Na izany aza, tsy azo hamaivanina ny tranga sy toe-javatra tahaka izao, ary misy lanjany goavana amin’ny lafiny politika. Mamofompofona ny fanovana governemanta, ary mety ho tafiditra ao anaty kajikajy ara-tserasera. Eo ihany koa ny mety ho fitarihana ny sain’ny olona any amina lafin-javatra hafa tsy hitodika any amin’ny fifanolanan’ny depiote sy ny minisitra sasany, ny ady hevitra momba ny kere any Atsimo, ny kiana avy amin’ny rafitra iraisam-pirenena,… Andrasana izay ho fivoaran’ity raharaha ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT