Actualités

Zandarimariam-pirenena Tompon’andraikitra ambony roa nosoloina


  • Alakamisy 05 Aogositra 2021

Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana tamin’ny 7 martsa 2019 ary manendry ny Kolonely Rakotonirina Lala Henri,

ho Komandin’ny fanofanana manokana ny Zandarimaria na « Commandant des Formations Specialisées de Gendarmerie ». Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha-2018-781 tamin’ny 02 jolay 2018 ary manendry ny Kolonely Ralaibeza Hubert Claudion, ho « Inspecteur à l’inspection générale de la Gendarmerie ». Tombanana ho mety misy ifandraisany amin’ny raharaha fikasana ny famonoana ny Filoham-pirenena ireto fanapahan-kevitra ireto. Tafiditra ao anatin’ny raharaha, ary isan’ny naiditra am-ponja vonjimaika rahateo ny Kaomandin’ny GSIS (Groupe de Sécurité et d'interventions Spéciales), araka ny vaovao ofisialin’ny Fanjakana omaly. Olon’ny GSIS izay misy ireo mpitandro filaminana tsara hofana ho commando maromaro no voasaringotra,…. Tetsy ankilany, noraisina ihany koa ny didim-panjakana mikasika ny fanomezana « bonification d'ancienneté de port grade » mandritra ny telo volana ho an’ny Lieutenant Razanakotonirina Herimaminiaina, izay nampiseho ny Tahombiazany sy ny tahaiza-manaony tamin ny alalan’ireo asa nataony, ka nahafahana nisambotra an’i JARISONE na JERISON sy ireo mpiray tsikombakomba aminy miisa dimy. Izy ireto dia dahalo mpamerin-keloka ikoizana amin’ny fangalarana sy anafenana ary famotsian’omby any amin’ny faritr’i Bealanana, Antsohihy sy Andapa. lo jiolahy raindahiny antsoina hoe JERISON io dia eta voasazy higadra mandritra ny fito taona tao amin’ny Fonjan’i Tsiafahy tany amin’ny taona 2006, saingy nivoaka ny izy, dimy taona taorian’izay. Ny fanomezana valisoa toy izao dia mandrisika ireo mpiara-miasa mba hanatanteraka amin’ny antsakany sy andavany ireo andraikiny, izay matetika mampidi-doza, hoy ny eo anivon’ny Sekretariam-panjakana miadidy ny zandarimaria.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT