Actualités

Zandarimariam-pirenena “Aza ampidirina amin’ny loko na firehana politika izahay”


  • Alarobia 03 Novambra 2021

“Tsy misy hidiran'ny zandarimariam-pirenena ny resaka hafatra miafina tao anaty vondrom-pifandraisana iray atao hoe "Fb Com",

 ny Zandarimaria rahateo tsy anisan'ny mpikambana ao”, hoy ny zandarimariam-pirenena eo anatrehan’ny fivoizana resaka sy hafatra nampiarahana amin’ny sary famantaran’izy ireo hoe: “Tsy ekena intsony ny fanaratsiana sy fanompana fitondrana”. Hojerena izay fepetra mifanandrify amin'io fampiasana ny anarana sy famantarana ny Zandarimaria io amin'ny tsy tokony ho izy, hoy ny fampitam-baovao. Nisy ihany koa ny hafatra mafonja naneho hoe: “aza ampiasaina amin'ny loko na firehana politika ny Zandarimaria. Ny Zandarimaria dia miaro Andrim-panjakana, ny olona rehetra tsy ankanavaka sy ny fananana fa tsy miaro firehana”, hoy hatrany io fampitam-baovaon’ny zandary io. Nomarihina ihany koa fa tsy natao biby fampitahorana ny zandarimaria fa namana, mpitandro filaminana, mpiaro, mpandamina, mpanaramaso ny fampiharana ny didy aman-dalàna. Ny fiaraha-mientana sy fiaraha-miasan'ny daholobe ao anatin'ny tagnamaron'ny fandriampahalemana no anisan'ny handresentsika ny ratsy ka mba ho afaka hiary am-pitoniana sy hitondra fampandrosoana firenena ny tsirairay, hoy hatrany ny zandarimariam-pirenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT