Zanaka gadra politika

> Manahy ny higadran’ny rainy mandra-pahafaty


  • Alarobia 14 Aogositra 2013

Telo taona katroka izao no tany am-ponja ireo manamboninahitra voarohirohy tamin’ny raharaha 7 febroary, hoy ny fanamarihan’ireo vady aman-janany.

Mba nanantena ny nivoahan’izy ireo avy tamin’ilay famotsoran-keloka nivoaka farany teo izahay, hoy izy ireo, saingy akory ny hagagagana fa dia tsy nisy velively izany. Nampanontany tena ny zanakay izay telo taona tamin’izany fotoana izany ary efa mba vorivory saina ankehitriny iny raharaha iny, hoy ity vadina miaramila iray tafaresaka tamin’ny mpanao gazety. «Dia higadra mandra-pahafaty izany i Dada fa tsy mbola mivoaka foana ry Neny ?», hoy ny fanontanian’ity zaza ity. Fijaliana tanteraka ho anay, hoy izy, ity resaka fonjafonja ity fa zara izahay izao raha mba mahavangy in-dray mandeha isa-tapabolana ny havanay ary tena mamangy fotsiny fa tsy misy ny hatolotra na ny saran-dalana mankany Tsiafahy aza efa trosaina. «Izao hianatra ity zanakay ity, tsy misy na dia izay hatao saram-pisoratana anarana aza, mainka moa fa izay ho saram-pianarana sy fitaovana ho vidiana. Tsy maintsy latsa-dranomaso ianao na dia minia ho mafy fo tahaka ny inona aza ê !”, hoy ilay renim-pianakaviana.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT