Actualités

Zanak’i Sofia Vaky barara tsy takona afenina


  • Zoma 06 Mey 2011

Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny hotely Miam ao Ambohipo omaly 5 mey, ireo Solidarité des Étudiants de la Région Sofia na SOERS, tarihin’ny filohany Damasy.

 Tongo-bakivaky sady maharary no mahamenatra, hoy izy ireo raha nahita ny resaka nivoaka an-gazety mikasika ny fanolanana nitranga tany amin’ny faritra niavian’izy ireo. Nisy ny voalohany sy faharoa sy ny manaraka mbola vita nangingina ny nandamina izay. Ankehitriny dia vaky barara tsy takona afenina intsony. Malahelo izahay tanora fa tsy mifandamina ny raiamandreninay. Tsy mbola tokony havoaka toy ireny, hoy ny sasany satria mbola manao ny fanadihadiana ny fitsarana.

Samy manana ny filazany ny tsirairay fa ny azo amintinana azy dia nampikorontana ny avy any amin’ity faritra ity ny zava-nisy tao Antsohihy. Mahatsiaro naharary ny rain’ny zaza matoa sahy nitonona ny anaran’ity mpanao politika ity, ary azony antoka matoa niteny izy. Na izany na tsy izany ilay zazavavy ihany no tena vavolombelona ny amin’izany rehetra izany.

Yves sy Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT