Tohina amin’ny raharaha fametavetana ankizivavy tsy ampy taona iray niseho ny andron’ny paska tao Antsohihy izay mahavoarohirohy ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Rémi na Jao Jean ireo zanak’i Sofia sy ny Sojabe avy any an-toerana monina eto an-drenivohitra mivondrona ao anatin’ny Sofia Miray.
Nifamory tetsy Andrefanambohijanahary izy ireo omaly nihaino ny fitarainan-dRatsara Aimé, rain’i Ella ilay ankizivavy voaolana. Ity farany izay efa nanaiky ny raharaham-pihavanana teo ambany fitarihan’ny lehiben’ny Faritra Sofia saingy tsy nipoitra i Jao Jean. «In-droa izaho no efa niandry hanao ilay raharaham-pihavanana saingy tsy hita izy fa izaho indray no asainy mifona aminy aty Antananarivo. Ankoatra izay dia ny tenako indray no rahonany hoe havoakany, hono, ny dosieko. Tsy hihemotra mihitsy anefa aho satria efa maro no voa fa tsy misy sahy miteny. Izay indrindra no angatahiko fanampiana amin’ny zanaky ny faritra eto an-drenivohitra hanosika ny fitoriana satria milaza ho tsy refesi-mandidy sy mahafantatra ireo mpitondra rehetra izy», hoy Ratsara Aimé.
Niray hina ka nandray fanapahan-kevitra ny Sofia Miray nandritra ny fivoriana izay milaza fa tsy havela ho vitavita ho azy ity raharaha ity. Namoaka fanambarana izay hoentina eny anivon’ny fahefana isan’ambaratonga izany. Toy izao ny votoatiny : “Araka ny lalàna manan-kery sy ny zo aman-kasin’ny fianakaviana izay simba dia miantso ny mpitondra fanjakana hampihatra ny lalàna manankery amin’io olom-boatendry nahavanon-doza io izahay ary mangataka koa ny hanesorana azy tsy hisolotena ny faritra Sofia”. Ireo Parlemantera zanak’i Sofia, Mamizara Jules sy Pierre Tsiranana izay anisan’ny niatrika ilay fivoriana ihany koa dia nanamafy fa tsy misy olona ambonin’ny lalàna na dia mpanao lalàna aza rehefa manao fihetsika mamoafady ka tokony hotsaraina eo anatrehan’ny lalàna. Omaly ihany dia efa nisy delegasiona nanatitra taratasy mangataka ny fanesorana ny “immunité parlemantaire”-n’i Jao Jean teny amin’ireo andrim-panjakana mpanao lalàna roa. Raha nitafa tamin’ny mpanao gazety i Jao Jean ny talata teo dia nilaza fa fanosoram-potaka avokoa no atao aminy. Nilaza aza izy fa hitory.
Sary : Ny mpitarika ny Sofia Miray miaraka amin’i Aimé Ratsara (faharoa avy amin’ny havia amin’ny sary)
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.