“Voin-kavana tokoa mahatratra” ka tsy nitazam-potsiny ireo Fokololona may trano tao Andranomanelatra ny Zanan’i Dada sy ny ankolafy Ravalomanana Vakinankaratra.
Ny tolakandron’ny sabotsy 03 aogositra teo àry dia nanao be midina tany Andranomanelatra ireo mpikambana ny delegasiona notarihin’ny Minisitry ny varotra, Olga Ramalason nanolotra izay tsirambin’ny tanana hanampiana ireo traboina miisa 47. Nambaran-dRtoa minisitra fa «ilaina ny firaisankina sy fifanohanana amin’ny loza toy izao, ka tsy hamela anareo irery mihitsy ny Zanak’i Dada dia satria iray aina isika». Nitondra anatra hoan’ny ankizy ihany koa ny tenany mba tsy hilalao afo toa izao intsony satria dia hita ny fahavoazana naterak’izany. Niangavy ny minisitra mba hanaraka akaiky ny tatitra nalefa any amin’ny BNGRC ireo traboina sao mba misy fanampiana azon’izy ireo atao satria tsy manan-ko raisina intsony kilan’ny afo avokoa ny vokatra sy masomboly tao an-trano noheverina hiatrehana ny fahavaratra sy ny taom-pamokarana. Nanome toky avy hatrany moa ny minisitra fa hijery akaiky izay fangatahana izay. Raha tsahivina moa dia ny alakamisy 25 jolay no nitrangan’ity haintrano ity vokatry ny tsikonina nataon’ny ankizy teo akaikin’ny tranon-kisoa ka nampirehitra izany ary dia niitatra tamin’ireo trano niisa valo teo ho eo, izay nisy fianakaviana 11.
Caïus RaharisonTia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.