Tantara mitohy ny raharaha Tiko Andranomanelatra.
Taorian’ny fihizingizinan’ny fanjakana hiroso amin’ny fanagiazana ny fananan’ny orinasan-dRavalomanana ity, dia nanao bemidina tany Antsirabe ireo Parlemantera Zanak’i Dada ny sabotsy 09 jona lasa teo. Delegasiona mafonja no tonga nanotrona ny hetsika tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra tamin’io fotoana. Nangotraka tanteraka ny kianjan’ny Magro Antsirabe. Antomotra ny fionganan-dRajoelina rehefa mikitika ny Tiko ny tenany, hoy ireo mpandaha-teny tao amin’ny Magro Avaratsena, satria dia mazava fa resaka politika ity fanakatonana ity fa tsy resaka teknika intsony. Araka izany dia hijoro ireo mpanao politika hiaro ity orinasa ity. Niantso ny miaramila ireto Parlemantera Zanak’i Dada ireto tsy hijabaka amin’ity resaka ity sy tsy hataon-dRajoelina fitaovana ho famoretana ny vahoaka madinika intsony fa hijery ny tombontsoan’ny maro an’isa. Nahitsihitsy sy tsy nitsitsy fitenenana ireto CT ireto nilaza fa fantatra ny mpanome baiko ireo manampahefana ao Antsirabe hisisika amin’ny fangejana ny fananan’ny filoha Marc Ravalomanana. «Ataovy raha sahy fa hifankahita eto isika», hoy izy ireo nampitandrina.
Maro ireo nijoro vavolombelona fa vahoaka maro no niasa sy nivelona tamin’ny Tiko manerana an’i Madagasikara. Midika izany fa fananam-bahoaka izy io ka dia harovana hatramin’ny farany. Nambaran’ireto mpikambana ao amin’ny Parlemantan’ny tetezamita ireto fa efa nisy ny dingana maro natao tsy hahatongavana amin’izao fikasana ny hanagiazana ny Tiko izao saingy nanao be marenina ny FAT. Hahita loza izy raha minia manantanteraka anjambany izany fanagiazana izany. Nanamarika ny mponina manodidina an’Andranomanelatra, fa nisy helikôptera nihaodihaody teo ambonin’ny orinasa Tiko ny sabotsy sy alahady teo.
Manoloana izany, dia nanambara ireo Parlemantera Zanak’i Dada fa hijanona any, ho avy koa ireo mpitolona avy aty an-drenivohitra manomboka anio alatsinainy hanao mandatehezana hiaro hatramin’ny farany ity orinasan’ny filoha Ravalomanana ity. Hirongo lovia sy sotro ary lapoaly ny rehetra satria tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany, hoy ny antso teny amin’ny Kianjan’ny Magro Avaratsena io sabotsy io. Hafanafana tanteraka indray izany ny ao Andranomanelatra ao manomboka amin’ity herinandro ity. Efa nilaza mantsy ny fitondrana fa tsy maintsy atao ny fanagiazana ny fananan’ny Tiko ka hiroso amin’ny lavanty izy ireo aorian’izay. Ahiana, araka izany, ny hisian’ny fifandonana raha toa ka tsy hihemotra ny FAT.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.